♦ Taona fanatanterahana ny vina sy hiasana mafy ny taona 2022, hoy ny Filoham-pirenena tamin'ny kabariny tamin'ny vahoaka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tsipahan'ireo mpianatra maintimolaly ao amin'ny Kolejy Masina Misely Amparibe, ny fametrahana ny andrin'ilay tetikasa téléphérique, ao anatin'ny faritry ny sekoly... ♦ Olona 40 indray no matin'ny valan'aretina Covid-19 teto Madagasikara, tao anatin'ny herinandro, maherin'ny 2100 ireo tranga vaovao...

Rehefa any amin'ny Seminera dia anjaran'ny fivondronamben'ny eveka isam-paritra no manomana ny taranjam-pampianarana sy ny dingana hirosoana mba ho pretra araka izay lazain'ny Papa hoe olon'ny hafaliana. Tsapa fa maharitra ny taom-piofanana ary maharary antsika raha misy Seminarista manapa-kevitra tsy hanohy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

Alatsinainy 3 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Ny olona iza nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny mazava — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-17. 23-25

Ny eveka dia miantso ny vahoaka hanampy ireo pretra efa mamaly ny antso, no sady mijoro ho ray mpiahy. Manampy betsaka amin'izany ny vavaka iarahana amin'ny Masina Maria Renin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...