♦ Niharan'ny fanafihana ry Mopera any Beraketa-Androy, omaly. Naratra mafy tsy nahatsiaro tena vokatra izany ny pretra iray... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'izay te-hampandroso ny tanindrazana ny fiangonana katôlika hoy ny filohan'ny fivondronamben'ny eveka, mikasika ny teleferika... ♦ Efa azo lazaina ho tratra ny PIC tamin'izao andiany fahatelo amin'ny Covid-19 eto Madagasikara izao. Efa tratra koa araka izany ny hery fiarovana faobe...

Amim-pinoana no tokony hanekena ny lehibe mpitarika, sy tokony hanampian'ny relijiozy azy hikaroka ny sitrapon'Andriamanitra. Adidin'ny tsirairay ny manaiky ary manatsara ny iraka ankinina aminy, relijiozy matotra sy tompon'andraikitra ianao amin'izany. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Alarobia 12 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39

♦ Pretra iray no naratra mafy noho ny fanafihana nahazo azy tao Beraketa any Androy. Efa nanomboka nahatsiaro tena izy androany... ♦ Vonona hiara-miasa amin'izay te hampandroso ny Tanindrazana ny Fiangonana Katôlika, hoy ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka androany, tao aorian'ny fiarahabana ny Filoha mivady teny Iavoloha... ♦ Efa azo lazaina ho tratra kosa ny "PIC" tamin'izao andiany fahatelo amin'ny Covid-19 eto Madagasikara izao, raha ny fanadihadiana natao tamin'ny mpitsabo. Ilaina hatrany anefa ny fampiharana ireo fepetra sakana...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...