♦ Tsy tokony asiana fitserana intsony ny fametrahana ireo mpikambana ao anatin'ny Governemanta manaraka eo, hoy ny antoko Fitambolagnela. Ilaina hanaovana tombana koa ny Praiministra... ♦ Tokan-trano tena marefo ara-pivelomana 30.000 isa, no hisitraka tetik'asa vaovao "Mijoro-Haraton'aina an-tanàn-dehibe". Handray vola 60.000 Ariary, isaky ny roa volana mandritra ny telo taona... ♦ Manome fe-potoana 72 ora ny DREN, hamahàna ny olana tsy nandraisana "subvention" ny fivondronamben'ny mpampianatra Fram any Fitovinany. Hanao fitokonam-be ao Manakaraizy ireo ny Alakamisy izao...
Ny fandroana dia andro manan-daza tamin'ny malagasy ary saika ahitana izany ny faritra samihafa. Ny fandroana dia andro natao hidiovana, hialana amin'ny loza sy ny rofy, andro hifamelana. Ny fandroana dia mifototra amin'ny rano izay midika ho "aina". Misy ny fombafomba sy ny dingana hatao mandritra ny fandroanaka : voalohany, ny fiomanana, faharoa ny ivon'ny fandroana ary ny fahatelo dia ny fitodiana. Ny "temim-pandroana" dia didy ary ny "fo tsy haritra" no didy nanalefaka io...
♦ Tsy misy ahiana ny momba ireo lisi-pifidianana any Maintirano izay very, noho ny fanafihan-dahalo. Mbola lisitra vonjimaika izy iny, hoy ny CENI... ♦ Manome 48 ora handoavany ny tambin-karamany tamin'ny fikirakirana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC tamin'ny 2021 ireo mpampianatra nisahana izany... ♦ Homarihana anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa, Eny Antaninarenina ny fanamarihana ôfisialy anio, iarahana amin'ny Ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna...
Mioty ny vokatra isika rehefa tsy kivy. Ampahatsiahivin'ny karemy antsika isan-taona fa "tahaka ny fitiavana ihany, ny tsara, ny rariny sy ny hitsiny ary ny firaisan-kina dia tsy mba azo indray maka dia vitan'izay, fa tolona ilofosana isan'andro vaky no hananana azy. (Ibid. n°11). Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco