• Mbola hitohy anio ny hamafin'ny rivotra any amin'ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy. Tany atsimo andrefan'i Itampolo ao amin'ny Distrika Ampanihy omaly tolakandro no nisy ny foiben'i Elvis...
  • Nihaona nivantana tamin'ny tale jeneralin'ny JIRAMA sy ireo tale mpiara-miasa aminy ny Federasiônan'ny Mpiaro ny Zon'ny Mpanjifa. Tsy ho zakan'ny vahoaka ny delestazy sy ny tsy fahampian-drano hoy ireto farany...
  • Nisy fivoarana azo tsapain-tanana ny fampiharana ny mangarahara sy ny tamberin'andraikitra tamin'ireo sekoly niasan'ny tetik'asa SCORE II nandritra ny fizohiana sy ny fanaraha-maso nataony teo anivon'ny sekoly niasany...
  • Hanohitra ny fanafiham-bohitra ataon'ny miaramila mpioko tohanan'i Rwanda ao Goma ny tafi-panjakàna any RDC. Nikabary nanoloana ny vahoakany ny filoha Tshisekedi manoaloana ny zava-misy any Goma...

I Masimbavy Martine no tsaroana rehefa 30 janoary. Teraka tao Roma avy amin'ny fianakaviana fanta-daza i Martine. Intelo ny rainy no "Consul" ary niavaka tamin'ny finoana velona sy ny fitiavana mivaivay nananany. Rehefa maty io rainy io dia namidin'i Martine avokoa ireo fananany ary ny vola azony dia nentiny nanaovana asa fitiava-namana sy famindram-po ho an'ireo mahantra.

Mba ho mpivavaka marina sy feno zotom-po, dia ilaina ny fahaizana mandrindra fotoana eo amin'ny fiainana andavanandro. Tsy mety raha omena vahana ny hakamoana sy ny hakiviana, indrindra amin'izay fahasoavana angatahintsika manokana. Matetika dia ny tsirambina vokatry ny tsy fanomanana tsara ny fandinihana na fibanjinana no miteraka ny tsy fahombiazana na hamainana anaty... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

  • Tany amin'ny manodidina ny 145 km andrefana somary atsimo andrefan'Itampolo, Disitrikan'Ampanihy no nisy ny foiben'i Elvis, tamin'ny 3 ora tolakandro teo...
  • Tokony havondrona ho iray ireo ray aman-dreny rehetra mahatsiaro ho manana adidy amin'ny firenena, hoy ny antoko VHT...
  • Efa misy ireo asa mivaingana notanterahana eto Madagasikara, mikasika ny fanomezan-danja ny angovo azo avy amin'ny fanodinana ny fako...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...