18 aogositra — Tokony ho tamin’ny taona 255 i Hélène no teraka tany amin’ny faritan’i Bithynie. Constance Chlore no vadiny, jeneraly romanina izy io izay nampakatra azy ho vadiny ny taona 272, ary tamin’ny taona 275 no nanan’izy ireo an’i Constantin zanany lahy.

Ny antso izay voaresaka ao amin'ny Levitika ihany no averin'i Jesoa amintsika, saingy ovainy fomba filaza fotsiny ao amin'ny Matio 5,48: "aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. Noho izany dia antso mitovy ihany no hiantsoana antsika dia ny ho masina sy ho lavorary. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Alakamisy 18 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14

♦ Mbola ampy mandritra ny 25 andro ny tahirin-tsolika misy eto Madagasikara, ka tsy tokony hisy fikoropahana, hoy ny Minisitry ny Angovo. Nanazava ny momba ny tsy fisian'ny Gasoil tany amin'ny faritra maro koa ny Minisitra androany... ♦ Nampakatra saram-pianarana avokoa ny ankamaroan'ireo sekoly tsy miankina ao an-drenivohitra, ho an'ny taom-pianarana ho avy io. Anisan'ny ambarani'reo mpitantana ho anton'izany ny fisondrotry ny vidim-piainana... ♦ Niaka-bidy ny hena eny an-tsena amin'izao. Tafakatra 16000 Ariary ohatra ny henan-kisoa ao an-drenivohitra...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...