Andriamanitra Ray no nifidy ny vahoakany sy ireo olona tiany manokana ary ireo nataony hitondra ny vahoakany. Raha ny Testamenta Vaovao no jerena dia i Jesoa Kristy no antony voalohany anaovana ilay fandanjalanjana satria ao aminy no ahatanterahan'ny zava-drehetra, ao no ahitana ny fahasoavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alakamisy 27 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra, mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 31-35

♦ Nitsidika sampan-draharaha telo lehibe indray ireo Evekan'i Madagasikara androany, andro fahatelo hatanterahan'izy ireo ny Visite Ad Limina... ♦ Hiverina hiasa manomboka amin'ny alarobia ho avy izao ny mpirakidraharaham-pitsarana. Nampanantena ny hamaha ny fitakian'izy ireo ao anatin'ny telo volana ny minisitera mpiahy azy ireo... ♦ Hametraka fandaharan'asa hanome sakafo ireo olona tena sahirana ao amin'ny Distrikan'i Betroka, ny Governemanta sy ny BNGRC. Ato ho ato hanaovana izany, hoy ny Solombavam-bahoaka Nicolas Randrianasolo...

♦ Naratra vokatry ny savorovoro nitranga ao Vohibolo, Distrika Vohipeno ny Loholona teo aloha ny Kôlônely Botomanovatsara. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny Emmoreg... ♦ Tsy mety hifarana hatramin'izao ny momba ilay horonam-peo niparitaka maneho fikasana handatsak'aina olona maromaro tao amin'ny Faritra Menabe. Tonga eto Antananarivo renivohitra mihaona amin'ireo tompon'andraikitry ny filaminana isan-tsokajiny ireo lasibatr'izany... ♦ Ravan'ny afo tsy nisy niangana ny tanàna iray any Ikongo, araka ny tatitry ny solombavambahoaka... 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...