♦ Efa tonga any Roma ireo Evekan'i Madagasikara hanatanteraka ny Visite ad limina amin'ny herinandro ho avy io... ♦ Nosokafana tamin'ny Eokaristia Masina, fiantsoana ny Fanahy Masina ny alakamisy 20 ôktôbra 2022, ny taom-piofanana ho an'ny Seminera Zokiny Paul VI ao Antsiranana... ♦ Ilaina ny fandanjalanjana ny tantaram-piainana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 19 ôktôbra 2022...

Nitondra fampivoarana amin'ny seha-pamokarana eny ambanivohitra ny nananganana ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao amin'ny FECAMA (Fédération des Collèges Agricoles de Madagascar). Miisa dimy ireo kolejy mivondrona ao aminy, miparitaka any amin'ny faritra dimy ary samy eo ambany fiahian'ny vovonam-pikambanana FIFATA avokoa.

♦ Fahadisom-panantenana goavana ho an'i Madagasikara ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny samy mpitondra Malagasy, tamin'ny latsa-bato natao tany amin'ny Firenena Mikambana, hoy ny RDS, tarihin'Andriamatoa Rakoto Andrianirina Fetison... ♦ Tamberin'andraikitra andrasan'ny vahoaka amin'ny Solombavam-bahoaka ny fitondrana ny tenin'izy ireo sy ny fanaraha-maso ny asan'ny mpanatanteraka, hoy ny Solombavam-bahoakan'i Tsiroanomandidy, Ramaherijaona Haja... ♦ Tratra hatrany amin'ny 90% ny tanjona napetraka tao anatin'ilay tetikasa "Ping pour tous à Tana"...

Tsy fahatomombanana eo amin'ny tarazo no maha varira, ary manaranaka. Olombelona toy ny olombelona rehetra ihany anefa izy ireny, fa manana faharefoana ara-pahasalamana manokana ary tsy manana hery miafina tokony hamonoana azy ireo, fa fiarovana azo no ilainy.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...