♦ Mbola nanamafy ny fitakiana ny hanatsaràna ny fomba fikarakaràna ny fifidianana hotanterahina amin'ity taona ity ny RMDM. Nilaza Andriamatoa Marc Ravalomanana fa tokony hovaina ny Lalàm-pifidianana sy ireo mpikamban'ny rafitra mpikarakara... ♦ Velaran-tany 13.000 ha any antampon' i Ihorombe no hanaovana tetik'asa fampandrosoana marolafy. Hapetraka any an-toerana ny "zone d'emergence integré" hoy ny Governora any an-toerana... ♦ Miantso ny Fanjakàna foibe hijery akaiky ny fomba hamahàna ny olana mampikatso ny fisokafan'ny orinasa Base Toliara ireo Sefo Fokontany ao Toliara-I. Ho tombontsoan'ny Faritra Atsimo-Andrefana no anton'izany hoy izy ireo...
Ny finoana tsy latsa-paka dia toy ny fialam-boly na ambin-javatra fotsiny. Raiso ho toy ny fitaovana rehetra ampiasaina ireny fitaovana ireny, ka misy ny fotoana ampiasàna azy fa tsy izy no mandany ny andro rehetra. Mila asongadina mandrakariva ny maha fiangonana kely hanovozam-panahy ny fianakaviana. Aoka ny ray aman-dreny hipetraka mandrakariva eo amin'ny toeran'ny mpanabe. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
♦ Namita ny adidiny tamin'ny Filoham-pirenena mivady, niarahaba azy ireo noho ny nahatratrarana ny taom-baovao 2023, teny Iavoloha androany, ireo Andrim-panjakana isan-tsokajiny eto Madagasikara... ♦ Hanatanterahana fampandrosoana maro lafy ny velaran-tany mirefy 13000 Ha any antampon'i Ihorombe... ♦ Miangavy ny fitondrana foibe hijery akaiky ny hamahana ny olana mampikatso ny fisokafan'ny Orinasa Base Toliara, ireo Sefo Fokontany any an-toerana, noho ny tombontsoa ambaran'izy ireo hositrahan'ny Faritra Atsimo Andrefana, amin'izany...
♦ Hotanterahana ny 15 janoary 2023, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Donatien Randriamalala, izay voatendrin'ny Papa ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Tafiditra ao anatin'ny andiany faharoa amin'ny Sinaody andiany fahafito izay iainanan'ny ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izy ireo ankehitriny, ifanentanana amin'izany ny hoe "Diôsezy maitso"... ♦ Ny 22 janoary 2023, no hankalazan'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay natokana hitondrana am-bavaka sy hanohanana azy ireo...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco