♦ Tsy tafiditra teny amin'ny Magro Behoririka androany ny TIM, noho ny sakana nataon'ny mpitandro ny filaminana... ♦ Tafakatra ho fito ankehitriny, ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Freddy, araka ny tatitry ny BNGRC... ♦ Dingana iray ahafahana mametraka paik'ady sy maka fepetra haingana eo amin'ny fitantanana ny harena voajanahary, ny haitao sahanin'ny ONE...

Ny olombelona dia tsy vatana fotsiny ihany fa saina sy fanahy ihany koa. Tsy olombelona manana filàna ara-batana fotsiny aho, fa olona manam-panahy ihany koa ka manana filàna ara-panahy. Ny fahalalana ara-tsiansa ananako mikasika ny tena dia tsy mahalaza ny zavatra rehetra momba ahy. Ny maha-olona feno ahy dia izao zava-boahary mari-toerana tsara. Misy aho ary velona satria manana vatana, saina, fihetseham-po, filàna ara-piaraha-monina sy ffandraisana ara-panahy amin'Andriamanitra...

Ny fiadanana tian'i Jesoa ampanjakaina eto an-tany dia ny fampahalalana izany atao hoe lanitra izany. Ny lanitra tiana ho lazaina dia ny fisian'Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny olombelona ; Andriamanitra manjaka eo amin'ny fianana ; olombelona matahotra an'Andriamanitra amin'izay ataony rehetra ka miezaka manaja ny hafa ary ny natiora, manampy antsika ho sambatra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Zoma 24 febroary 2023 — Zoma, manaraka ny Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...