29 aprily 2023 — Sabotsy, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)

♦ Vola hatrany amin'ny 720 tapitrisa sy 5 miliara Ariary no giazan'ny ARAI, na ny sampan-draharaha misahana ny famerenana amin'ny fanjakana ny harena rehetra azo tamin'ny tsy ara-dalana, miampy fiara 182 sy fananana samihafa, nanomboka ny taona 2022 nijoroan'ity rafitra ity... ♦ Mahatratra 714.000 Dolara ny trosan'ny mpiasan'ny Air Madagascar amin'ity kaompaniam-pitaterana an'habakabaka ity. Karaman'ny mpiasa tsy voaloa tao anatin'ny herintaona, izay tsy maintsy voaloa mialoha ny faran'ity volana ity, hoy ny Filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny Madagasacar Airlines...

♦ Ny finoana raisina sy zaraina no ijoroantsika ho vavolombelona hahazoana ny fiainana mandrakizay, hoy i Mgr Donatien Randriamalala, Evekan'Ambanja tao amin'ny Eglizy Masinandraina Andraikiba Antsirabe... ♦ Notanterahina tao amin'ny Kianjan'i Mgr Xavier Tabao, Antanambazaha ny Festival des chorales, nokarakarain'ny Radio Aina Mananjary... ♦ Frera efatra mirahalahy no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny Fikambanan'ny Frères Hospitaliers de Saint Jean de Dieu ny 16 sy 23 aprily 2023...

Tratra ny fanamby napetraka tamin'ilay tetik'asa "Tontolo voajanahary lovain-jafy amin'ny ilany Atsinanan'i Madagasikara" raha ny momba ny fahafahan'ny tantsaha niatrika ny fiovan'ny toetr'andro nofaritana tamin'ny taona 2022. Tetik'asa madinika miisa 174 no natao nandritra izany. Tokantrano 17.800 mahery no nisitraka fampiofanana momba ny teknika fambolena lovain-jafy. Nihoatra lavitra tamin'ny tanjona nofaritana no tratra, taha hatrany amin'ny 153%. Amporisihana ireo tantsaha hanao ny voly mampidi-bola sy voly atao  sakafo mba hisorohana ny fanapotehana ny ala hanamaivanana ny fahasahiranana vokatry ny fiatraikan'ny COVID-19 sy ny fiovan'ny toetr'andro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...