♦ Miaka-dapa, miatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ity taona ity ny Andrim-panjakana mpanao lalàna eto Madagasikara. Hafampana ny ady hevitra eny Tsimbazaza, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nihaona tamin'ny vahokan'ny Kaominina Anosizato Andrefana, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano androany, ny Filohan'ny MMM... ♦ Mitaky ny hamoahana ny fanavaozana ny fahazoan-dàlana mitrandraka vato sy ny làlana mifehy izany ny fikambanan'ny mpanao vato any Fianarantsoa...

♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy ny maraina teo ny fivoriana ara-potoana ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Niaiky ny filohan'ity andrim-panjakana ity, tamin'ny laha-teniny fa hafampana ny eny an-toerana manomboka izao... ♦ Nahatratrarana volamena saika haondrana any ivelany tany amin'ny seranam-piaramanidini Fascène any Nosy Be ny faran'ny herinandro teo. Bolongam-bolamena 3kilao latsaka kely no tratra, saika ahondran'ny vehivavy malagasy iray any Dubai... ♦ Hanorenana trano fonenana 50 fanampiny eny amin'ny Toby Akamasoa, noho ny tsy fahampian'ny foto-drafitr'asa. Mponina 30 alina no mipetraka eny an-toerana ankehitriny...

♦ Nanakoako omaly ny hetsiky ny Valaben'ny Sendikà eto Madagasikara, nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny asa. Milaza ho leo ny fitotongan'ny vidim-piainana mianjady ny mpiasa izy ireo... ♦ Hiatrika fivoriana ara-potoana voalohany manomboka anio ireo Parlemanta mpanao lalàna. Fivoriana handiniana tolo-dalàna sy volavolan-dalàna maromaro indrindra ny lalàna fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2022... ♦ Notsikerain'ireo solombavambahoaka mpitarika ny Hetsika "Mihava Tour" ny fanenjehin'ny Fitondràna ireo olobe avy amin'ny Faritanin'i Mahanjanga....

Mba hisy vokany ny fifanakalozan-kevitra dia tsy maintsy mitodika amin'Andriamanitra mangataka ny fanilovany, mangataka ny sitrapony, mangataka ny fitantanany. Noho ny asan'ny Fanahy Masina izay manoro hevitra tsara mandrakariva ny olombelona dia manoro antsika Izy, fomba entina hanentanana ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra. Tsy fanaovana fifanakalozan-kevitra eo am-pisakafoana. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...