♦ Hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka ho an'ny ankizy, manentana azy ireo mba ho ankizy apôstôlin'ny ankizy marina tokoa, eo amin'ny lafim-piainana rehetra... ♦ Manolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an'ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny JNE-3, notontosaina teto Antananarivo, ny Vikera Jeneraly eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hanatanteraka ny "pèlerinage" nasiônaly ny avy eo anivon'ny "Aumônerie militaire"...
Hivaha tsy ho ela ny olan'ireo mpiantsehatra amin'ny fiompiana akoho manatody lava sy ny fakàna nofo amin'ny fahitàna ny katsaka foto-tsakafon'ny akoho ompian'izy ireo sy ny halafosany.
♦ Misy lesona tsara azo tsoahana manoloana ny fijoroan'ireo miaramila any Niger, hoy ny antoko Otrikafo. Tsy voatery amin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana anefa no hanehoan'ny samy Malagasy izany... ♦ Nilaza ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, fa efa manomboka mihena ny tsy fandriam-pahalemana. Azo porofoina amin'ny antontan'isa izany, raha ny fanazavany... ♦ Tafidina hatramin'ny 1000 na 800 Ariary ny vidin'ny lojy iray kilao any Ambatoboeny, hoy ireo mpamboly...
Ny olona afaka dia manompo an'Andriamanitra, manatanteraka ny asa an-tsitrapo, tsy misy nenina, miasa am-pitiavana. Ny asa ny vahoaka afaka dia mamaritra ny maha izy ny olombelona. Ny miasa maimaimpoana dia mahafoy ho an'ny hafa sy ny Tompo. Ny fitiavana an'Andriamanitra misokatra amin'ny fitiavana ny hafa dia mampitodika amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco