Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Ekl 51, 12-20)

Sitrako ny manome voninahitra Ilay nanome ahy ny fahendrena.

Hankalaza Anao aho, ry Tompo,
sy hidera Anao, ary hisaotra ny Anaranao.
Fony aho mbola tanora mbola tsy naniasia,
dia nitady an-karihary ny fahendrena aho tamin’ny fivavahako.
Nangataka izany teo anoloan’ny tempoly aho,
sady hikatsaka azy hatramin’ny farany.
Tamin’ny fahitana ny voniny, toy ny fahitana ny salohy mihamena,
dia nifaly ny foko.
Nizotra ny lala-mahitsy ny tongotro nomba azy;
nanaradia azy hatramin’ny fahatanorako aho.
Nanongilan-tsofina taminy kelikely aho dia nandray azy,
ka nahazo fampianarana lehibe ho ahy.
Tombon-tsoa lehibe no azoko avy aminy;
ka sitrako ny manome voninahitra Ilay nanome ahy ny fahendrena.
Satria tapa-kevitra ny hanaraka azy aho;
nikely aina hanao soa, ka tsy ho very fanantenana.
Mba ho azy no niadian’ny fanahiko,
sy nanaovako ny asako tamim-pitandremana lehibe.
Nasandratro ny tanako, ka nalahelovako ny tsy nahalalako azy.
Notarihiko hankaminy ny fanahiko, dia nahita azy,
noho ny fahadiovan-toetrako.
Niaraka taminy hatramin’ny voalohany aho, dia nahazo fahalalana,
ka noho izany tsy hoariana aho na oviana na oviana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11

Ny fitsipiky ny Tompo mahafaly ny fo.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry ny olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava, manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.

Mahatehaniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny tohon-tantely mitsonika.

Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema,
Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)

Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany.
Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, ka nilaza taminy hoe:

“Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao?
Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo,
ka raha voavalinareo,
dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy aiza ny batemin’i Joany,
avy any an-danitra sa avy amin’ny olona?
Valio Aho.”

Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe:

“Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko,
dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?
Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa,
ny vahoaka indray no atahorantsika;
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.”

Dia izao no navaliny an’i Jesoa:

“Tsy fantatray.”

Ary hoy kosa i Jesoa:

“Izaho koa, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana amin'ity taona ity. Tsy hanova ny lalam-pifidianana ny governemanta ankehitriny hoy ny Praiministra Ntsay Christiana raha nanao tatitra ny asa vitan'ny governemanta teny amin'ny antenimieram-pirenena izy omaly...  ♦ Tondroin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga tsy ho vonona hametraka ny mangarahara sy ny hanaja ny lalàna mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny eo anivon'ny CENI... ♦ Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny telo andro ny atri'asa fampivoarana ny indostria... ♦ Nanambara ny firotsahana ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia ny governoran'i Floride avy amin'ny antoko repoblikana Ron DeSantis...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Ekl 44, 1. 9-13)

Maharitra tsy mivadika amin’ny fanekena ny taranany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.

Ataovintsika izao ny fiderana ny olo-malaza, sy ny razan’ny karazantsika.
Ny sasany kosa tsy misy ahatsiarovana azy intsony;
fa levona toy ny tsy nisy akory;
nanjary toy ny tsy teraka akory,
ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy.
Ireo voalohany dia olona tia vavaka,
ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny.
Raikitra ho anjaran’ny taranany ny hasambarana
ary misy lova azo antoka ho an’ny zanany.
Maharitra tsy mivadika amin’ny fanekena ny taranany;
mbamin’ny zanany koa noho ny amin’izy ireo.
Maharitra mandrakizay ny taranany
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b.

Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.

Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany,
ravahany fandresena ny ory!

Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am-bava, fankalazana an’Andriamanitra;
ho voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianareo,
raha mitana ny tenin’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 11-26)

Ny Tranoko dia trano fivavahana ho an’ny firenena.

Tamin’izany andro izany,
dia niditra tao Jerosalema i Jesoa ary namantana tao an-Tempoly,
ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra
dia nankany Betania nomban’ny roa ambin’ny folo lahy,
fa efa hariva rahateo ny andro.
Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana,
ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy,
dia nankao hizaha raha sendra misy voany;
fa nony mby teo Izy,
dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina,
satria tsy taom-pamoazan’ny aviavy tamin’izay.
Dia hoy Izy tamin’ny aviavy:

“Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay.”

Ary ren’ny mpianany izany.

Dia tonga tany Jerosalema izy ireo,
ka nony niditra tao amin’ny Tempoly i Jesoa,
dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao,
ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola
sy ny fipetrahan’ny mpivaro-boromailala,
ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny Tempoly,
sady nampianatra Izy nanao hoe:

“Moa tsy voasoratra hoe:
Ny Tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?
fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy.”

Nony nahare izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna
dia nitady izay hahafaty Azy;
saingy natahotra Azy izy ireo
satria nigagan’ny vahoaka rehetra ny fampianarany.
Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna Izy.

Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo
dia hitan’ny mpianany fa maina hatramin’ny fakany ilay aviavy.
Dia nahatsiahy i Piera ka nanao taminy hoe:

“Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao.”

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Manàna finoana an’Andriamanitra.
Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy
hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe:
Mialà ianao eo, ka mianjerà any an-dranomasina
raha mino tsy amim-pisalasalana ao am-pony izy,
fa ho tanteraka tokoa izay lazainy,
dia ho hitany ny fahatanterahan’izany.
Koa amin’izany lazaiko aminareo,
fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana,
minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa izany.
Ary raha mitsangana hivavaka ianareo
ka sendra manana alahelo amin’olona, dia mamelà azy,
mba hamelan’ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa.
Fa raha tsy mamela ianareo,
dia tsy havelan’ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Ekl 42, 15-25)

Ny asan’ny Tompo feno ny voninahiny.

Hotsahiviko izao ny asan’ny Tompo,
ary hotorìko izay hitako.
Ny tenin’ny Tompo no nahavitana ny asany rehetra.
Ny masoandro izay manazava azy ireo dia mibanjina azy rehetra;
asan’ny Tompo, feno ny voninahiny izy.
Ny olo-masiny dia tsy nataon’ny Tompo
mahavatra ny mitory ny zava-mahagaga rehetra vitany,
izay naorin’ny Tompo Tsitoha mafy,
mba ho mafy orina izao tontolo izao amin’ny voninahiny.
Tsapainy ny halalin’ny ranomasina sy ny fon’ny olombelona;
ary fantany ny heviny saro-pantarina indrindra.
Fa manana ny fahalalana rehetra ny Tompo;
ary hitany ny famantaram-potoana.
Manambara ny lasa sy ny ho avy Izy,
ary mampiharihary ny dian’ny zava-miafina.
Tsy misy hevitra miafina aminy, tsy misy teny takona Azy.
Noravahany ny asa lehiben’ny fahendreny:
talohan’ny taona rehetra Izy,
ary haharitra mandrakizay;
tsy nampiana na inona na inona ny tenany,
tsy nanesorana na inona na inona
ary tsy nila mpanolo-tsaina na iza na iza Izy.
Endrey, ny hatsaran-tarehin’ny asany rehetra!
ary izay banjinin’ny olona amin’ireny anefa
dia kilalaon’afo fotsiny.
Velona daholo ny zavatra rehetra ary maharitra mandrakizay,
ho amin’izay rehetra ilàna azy;
ary manaiky ny Mpahary ny zavatra rehetra.
Mikambana tsiroaroa avy izy, ny iray tandrifin’ny iray,
ary tsy nisy nataony mankamin’ny faharavana.
Fa ny anankiray dia antoky ny fahasambaran’ny anankiray:
iza no mety ho afa-po amin’ny fijerena ny Voninahitry ny Tompo?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9.

Ny lanitra no vita: ny tenin’ny Tompo.

Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo.
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno!

Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo;
ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!

Ny lanitra no vita: ny tenin’ny Tompo;
ny tafiny rehetra: ny fofon’ain’ny vavany.
Ny ranon’ny ranomasina nangoniny anaty siny;
ny hantsam-be nataony anaty fahi-drano.

Ry tany tontolo matahora ny Tompo;
mangovita ny mponina amin’izao rehetra izao:
fa teniny dia vita;
didiny, dia tafajoro!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo,
izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.

Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao,
dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time.
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay,
dia rafitra niantso izy nanao hoe:

“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô,
mamindrà fo amiko.”

Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô,
mamindra fo amiko.”

Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy.
Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe

“Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.”

Dia nariany ny lambany,
ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Inona no tianao hataoko aminao?”

Dia hoy ilay jamba:

“Rabony ô,
aoka mba hahiratra aho.”

Ary hoy i Jesoa:

“Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy,
ka nanaraka Azy teny an-dalana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...