♦ Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny katesizy ho an'ny fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitana hafatra, ny tombana nataon'ireo pretra mpanolotra fandaharana, nandritra ny fihaonan'izy ireo androany, teto amin'ny Radio Don Bosco Ivato... ♦ Natao hifampitaizana mankany amin'ny tsaratsara kokoa ilay sata hifampifehezan'ny antoko pôlitika, hoy ny solontenan'ny Kômity mpanara-maso ny fampiharana izany. Nampahafantarina androany, izany sata izany...
♦ Tsy maintsy tanterahina amin'ity taona ity ny fifidianana filoham-pirenena, na misy lesoka na tsia, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Toavina Ralambomahay. Nambarany fa tsy tokony hihoatry ny volana janoary 2024 ny tetezamita, raha hisy izany... ♦ Hisy indray ny fihaonana fanin'efany eo amin'ny filoha Frantsay sy Malagasy amin'ity volana jona ity. Tombanana amin'ity herinandro ity na amin'ny herinandro ho avy io no hisian'izany any Paris... ♦ Tobin'ny Jirama 78 amin'ireo 118 no hampivadiana famokarana herinaratra azo avy amin'ny masoandro sy ny fampiasàna solika ato anatin'ny herin-taona. 400 miliara Ariary ny teti-bola hanaovana izany, miaraka amin'ny Banky iraisam-pirenena...
Ny anarana "tanàna" dia misy hatrany ny tantara mifamatotra aminy. Ny famoronana anarana "toerana na tanàna" dia mifototra amin'ny finoana, izany hoe faniriana soa sy fanambinana ka ao anatin'izany ny fahasalamana, harena ary ny fitiavana. Misy fomba maromaro nanomezana anarana toerana iray ; milaza "isa", miresaka "tany, loko, vato, rivotra, rano" ; milaza "foto-drafitr'asa" ; manambara fampitandremana ; mampisongadina zava-maniry. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
♦ Notendren'ny Papa François ho Arsevekan'Antananarivo Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan'Ambatondrazaka. Izy no handimby an'i Mgr Odon Razanakolona, izay nangataka hitsahatra amin'ny fitantanana ny Arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Naverina any am-ponja any Nosy-Be i Ninie Donia omaly, taorian'ny fitsabona azy tany amin'ny hôpitaly. Napetraka eo ambany fanaraha-maso ny fitsaràna kosa Ramatoa Dorris Rakoto Samuel, taorian'ny nakàna azy teny amin'ny trano fonenany teny Andoharanofotsy... ♦ Heverina ho voavaha ny alakamisy na ny zoma izao ny delestazy tato ho ato ho an'ny tambajotra famatsiana herinaratra iraisan'Antananarivo...
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco