Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 20, 1-13)

Hamokatra harena ho azy ianao dia loharanon’ny ranovelona.

Tamin’izany andro izany, dia tonga tao amin’ny efitra Sina,
tamin’ny volana voalohany ny zanak’i Israely sy ny fiangonana rehetra,
ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka.

Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy.
Noho ny tsy fisian’ny rano ho an’ny fiangonana,
dia nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo.
Nifanditra tamin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe:

“Inay anie izahay mba maty,
tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’ny Tompo!
Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan’ny Tompo amin’ity efitra ity,
mba hahafatesany ato, izahay sy ny biby fiompinay?
Ahoana no dia nitondranareo anay niakatra avy tany Ejipta
hankatý amin’itony fitoerana ratsy itony?
Tsy mba tany azo hamafazana, tsy misy aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra,
na rano hosotroina akory.”

Dia niala teo amin’ny fiangonana i Môizy sy i Aarôna,
nankeo am-baravaran’ny tranolay fihaonana.
Nidaboka niankohoka izy ireo,
dia niseho taminy ny voninahitry ny Tompo.

Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:

“Alao ny tehina, ka vorionao sy i Aarôna, rahalahinao, ny fiangonana.
Eo anatrehan’izy ireo ianareo, dia hiteny amin’ny vatolampy,
mba hampiboiboika ny ranony izy,
ka dia hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy ho azy ireo ianao,
ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.”

Dia nalain’i Môizy, araka ny nandidian’ny Tompo azy,
ny tehina izay teo anatrehan’ny Tompo.
Manaraka izany, novorin’i Môizy sy i Aarôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana,
ka hoy i Môizy tamin’izy ireo:

“Mihainoa, ry mpiodina:
hampivoaka rano ho anareo amin’ity vatolampy ity va izahay?”

Dia naingain’i Môizy ny tanany,
ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy,
ka niboika be dia be ny rano,
dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Fa hoy ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna:

“Noho ianareo tsy nino Ahy,
mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely,
dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.”

Izany no ranon’i Meribà izay nilan’ny zanak’i Israely ady tamin’ny Tompo,
ka nanamasin-tena tamin’izy ireo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 94, 1-2. 6-7. 8-9

Enga anie ianareo anio ka mba hahaino ny feony, aza manamafy ny fonareo.

Avia mifalia ka hobio ny Tompo.
Ilay vatolampy sy vonjintsika.
Andeha mankeo anoloany hisaotra.
Hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy.

Avia miondreha ary miankohofa.
Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika,
fa Izy no tena Andriamanitsika,
isika vahoaka sy ondry fiandriny.
Hihaino Azy ve ianareo anio?
Fa izao no ambarany sy lazainy.

Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra,
toy ny tany Masà sy tany Meribà.
Ny razanareo dia nitsapa Ahy!
Kanefa nahita ny asa vitako.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-23)

Ianao no Piera, vatolampy, homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo:

“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista,
ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny mpaminany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra.”

Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany
mba tsy hilaza amin’ny olona, fa Izy no Kristy.
Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina,
ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.

Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe:

“Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!”

Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry satana!
manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra,
fa araka ny an’ny olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mikasa hanolotra kandidà tokana, Zanaky ny faritany, ny Vondrona Firaisan-kina faritanin'i Fianarantsoa amin'ny fifidianana ho avy io. Maniry ny hamory vahoaka izy ireo, saingy mbola tsy nahazo alalana hatramin'izao... ♦ Tsy ho tapaka ny fandraisan'ny Zokiolona fisotron-dronono, na teo aza ny fitokonana hoy ireo mpiasan'ny CNaPs. Nanome antoka izy ireo fa nisy hatrany ny fandoavam-bola tamin'ny fotoana niatoan'ny fandraisana ireo mpila raharaha... ♦ Vinavinaina ho tratra amin'ity taona ity ny tahan'ny fisondrotry ny harin-karena faobe 4% mahery kely amin'ity taona ity hoy ny eo anivon'ny INSTAT. Tsy mbola ho hita taratra amin'ny fari-piainan'ny vahoaka malagasy anefa izany...

Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 13, 1-2a. 26 — 14, 1. 26-29. 34-35)

Na taiza na taiza, tsy nahita ny tany niriny izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Môizy tao amin’ny tany efitr’i Faràna ny Tompo nanao hoe:

“Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana,
izay omeko ny zanak’i Israely.”

Nony afaka efapolo andro dia niverina avy any am-pisafoana ny tany izy ireo.
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy Aarona,
mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra,
tao Kadesy tany an’efitra Faràna.
Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo
ary naneho ny vokatry ny tany taminy.
Izao no filazana nataony tamin’i Môizy:

“Nankany amin’ny tany nanirahanao anay izahay.
Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany,
ary itony no vokatry ny tany avy any.
Fa ny vahoaka monina any, mahery;
ny tanàna, sady mimanda no lehibe;
ny zanak’i Enàka aza, hitanay any koa.
Amaleka no monina amin’ny faritanin’i Negeba;
ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreanina
no monina amin’ny tendrombohitra;
ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina
sy ny moron’i Jordany.”

Fa i Kabela nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy:

“Andeha isika, hoy izy,
hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.”

Nefa hoy kosa ireto olona niara-niakatra taminy:

“Tsy manan-kery isika hananika izany vahoaka izany,
fa mahery noho isika izy.”

Sady nataony laza ratsy teo anatrehan’ny zanak’i Israely
ny tany izay nosafoiny, ka hoy izy:

“Ny tany notetezinay nosafoina dia tany mandevona ny mponina aminy;
ny olona rehetra hitanay tany dia olona avo ranjanana daholo;
ary hitanay tany koa ry rapeto zanak’i Enàka, taranaky ny rapeto:
mova tsy ny valala izahay teo imasony sy teo imasonay.”

Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra,
ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.

Niteny tamin’i Môizy sy Aarôna ny Tompo nanao hoe:

“Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity?
Reko ny fimonomononana ataon’ny zanak’i Israely amiko.
Lazao amin’izy ireo hoe:
Velona Aho, hoy ny Tompo;
hataoko aminareo izay noteneninareo tamin’ny sofiko.
Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo:
ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa,
ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko.
Araka ny efapolo andro nisafoanareo ny tany
— fa soloana taona iray ny andro iray, —
no hivesaranareo efapolo taona ny hadisoanareo,
ka dia ho hitanareo izany hoe fihatahako aminareo.
Izany no teniko, Izaho Tompo.
Izany no ataoko amin’ity fiangonana ratsy izay niodina tamiko.
Ho levona aty an’efitra aty izy, ho faty aty.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 6-7a. 13-14. 21-22. 23

Tsarovy izahay, ry Tompo fa tia ny vahoakanao Ianao.

Nanota toy ny Razanay izahay,
nanao izay meloka sy ratsy.
Ny Razanay tany Ejipta
tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.

Kanjo nalaky nanadino ny asany,
sy tsy nahandry ny lahany:
fa voan’ny fitsiriritana tany an’efitra,
ka naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany foana.

Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.

Dia nilaza handringana Izy,
raha tsy i Môizy ilay voafidiny,
no nisosoka nitokona teo anoloany,
mba hanoha ny havinirany tsy hahavoa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ravehivavy, lehibe ny finoanao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray
nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe:

“Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”;

fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:

“Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika.”

Ary hoy ny navaliny azy:

“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.”

Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany,
ary nanao hoe:

“Tompo ô, vonjeo aho!”

Nefa novaliany hoe:

“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa.”

Ary hoy ravehivavy:

“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka
avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao.”

Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦Miahiahy ny tsy hisian'ny fifidianana madio ny vondrona politika APOGENIE. Misy biraom-pokontany 6.000 sy biraom-pifidianana noforonina mifandraika amin'izany, nefa tsy hita fototra mazava hoy izy ireo... ♦ Notendrena omaly ny tale jeneraly vaovaon'ny CNaPs izay anisan'ny anton'ny fitokonan'ny mpiasa nandritra ny iray volana. Voatendry amin'izany andraikitra izany Andriamatoa Vimbina Rahaingonjatovo... ♦ Tsy mbola nisy voasambotra hatramin'ny omaly ireo gadra tafatsoaka ny fonjan'i Mananjary. Nitondra fanazavàna momba ny fepetra efa noraisina omaly ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja, manoloana ity raharaha ity...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...