Aleo kely ombam-pahatahorana ny Tompo, toy izay ny harem-be omban'ny tsy fahamarinana. Matoa mahantra ny firenena dia mbola betsaka ny kolikoly. Ilaina ny fialan-tsasatra satria izany no hatsiarovana ny asan'Andriamanitra, tamin'ny fahariana izao tontolo izao. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
29 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 23-26)
♦ Vaky am-batolampy ny disadisa misy eo amin'ny zanaka vavin'ny Amiraly Ratsiraka manoloana ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena... ♦ Misy amin'ny fianakavian'ireo namoy ny ainy teny Mahamasina ny zoma teo no mitaraina fa tsy mifanaraka amin'ny vola nampanantenain'ny fitondram-panjakàna no azon'izy ireo... ♦ Manao ranolava kosa ny fanambaran'ny mpianatry ny ambaratonga ambony ankoatra ny fanohizan'ny SECES ny fitokonana... ♦ Lasibatry ny zera baomban'y Israeliana androany ny seranam-piara-manidina iraisam-pirenena Siriana ao Alep...
♦ Nivoaka tamin'ny fomba ôfisialy izao atoandro izao ny andiany faha-44, amin'ireo manam-boninahitra niofana tao amin'ny akademia miaramila na ny ACMIL any Antsirabe, nisalotra ny anarana Amiraly Didier Ratsiraka... ♦ Mbola mitana ny laharana voalohany hatrany amin'ny fahazoana medaly i Madagasikara hatramin'izao. 74 ankehitriny ny medaly azontsika ka volamena ny 43 amin'ireo... ♦ "Ny fiovaovan'ny toetr'andro" no loha-hevitra hifanakalozan'ireo tanora, anatin'ny "volet jeunesse" amin'izao lalaon'ny nosy andiany faha-11 izao. Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly teny amin'ny Arena Ivandry izany...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco