♦Manana fito andro manomboka anio ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana hitsarana ireo antontataratasin'ady voarainy mahakasika ny zotram-pifidianana sy vokam-pifidianana taorian'ny fahataperan'ny fe-potoana nandraisana izany alina... ♦ Hamory ireo mpisehatra samihafa handraisana andraikitra ho an'ny firenena eny amin'ny Motel Anosy anio ny antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy... ♦ Hampahafantatra ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2024 eny amin'ny antenimieram-pirenena amin'ity anio ity ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Maniry ny hitohizan'ny fampiatoana ny fanafihana ataon'ny Israeliana 2 na 4 andro fanampiny ny mpitondra any Hamas...
Natao hanasoa ny vahoaka mba ho afa-miaina tsara ny fanjakàna ; koa "na manahoana na manahoana dia mifanohitra amin'ny maha-olona mihitsy ny hahatonga ny fanjakana ho tsy refesi-mandidy na hanao didiko fe-lehibe ; voahitsakitsaka mafy amin'izany ny zon'ny olona sy ny mpiara-monina". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
28 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)
♦ Hifarana afaka adiny efatra sy sasany ny fandraisan'ny HCC ny fitoriana momba ny zotram-pifidianana sy ny voka-pifidianana... ♦ Hankatoavina eny Tsimbazaza amin'ity herinandro ity ny volavolan-dàlana hifehy ny teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2024... ♦ Mifandona ny lalàna sy ny kolontsaina malagasy, manoloana ilay fikasihan-tànana mpianatra nataon'ny Talen-tsekoly iray teny Ivandry, hoy ny "Observatoire de la jeunesse"...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco