♦ Hivoaka anio ny lisitra ôfisialin'ireo kandidà afaka hiatrika ny fifidianana ho filoham-pirenena. Anisan'ny andrasan'ny maro ny momba ny firotsahan-ko fidian'ny filoham-pirenena am-perin'asa, noho ireo fitoriana samihafa, momba ny zom-pireneny... ♦ Tsy maintsy mametra-pialàna rahampitso ny filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina, raha ankatoavin'ny HCC ny firotsahan-ko fidiany. Tapitra ny fe-potoam-pitondràny, araka ny voalazan'ny Lalam-panorenana... ♦ Mitaky onitra omby 80 isa ny fianakavian'ireo tovolahy miisa 2, tsy manan-tsiny notifirin'ny Zandary tany Bebaboka-Maintirano. Hanatitra ny razana eny amin'ny foiben'ny Zandarimariam-pirenena izy ireo, raha tsy azo ireo omby ireo...
♦ Antoko telo manana kandidà amin'ny fifidianana no nametraka fitoriana teny amin'ny HCC omaly. Fitoriana mangataka ny tsy hankatoavana ny firotsahan-ko fidian'ny filoha ankehitriny... ♦ Kandidà efatra no efa nisintona ny firotsahan-ko fidiany ho filoham-pirenena amin'ny 9 novambra. Nanapan-kevitra ny hiroso amin'izany koa omaly Ramatoa Annick Ratsiraka, natolotry ny antoko AREMA, araka ny fapitam-baovaon'izy ireo... ♦ Niakatra fitsaràna tany Londres omaly ilay raharaha nisamboran'ny Fitsaràna Britanika an-dRamatoa Romy Randrianarisoa, talen'ny fiadidiana ny Repoblikan'i Madagasikara teo aloha... ♦ Olona miisa 3 no nomelohin'ny fitondràna irakiana ho faty ka nahatona tamin'ny tady...
Ny tsy fananana asa dia miteraka olana eo amin'ny fampianarana zanaka. Vokatr'izany dia mitotongana ny fahalalana, mikoroso ny fanabeazana, porofo tsy mifanaja intsony ny eny anivon'ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana. Ny fitokisana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka no manampy ny olona hiatrika ny olana sedrainy hitady sy hiezaka hiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
9 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco