♦ Ho hentitra anio ny fitandroana ny filaminana eny Ambohidahy, mandritra ny famoahan'ny HCC ny voka-pifidianana ôfisialy, tamin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ Efa naneho ny tsy fankasitrahany izay voka-pifidianana ho avy eo, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena. Miantso fitoniana kosa etsy ankilany ireo Loholona maro an'isa eny Anosikely... ♦ Mbola tsy nampitovy hevitra ireo Solombavam-bahoka ny LFI 2024, izay lany tsy nasiam-panitsiana sy fanovana teny Tsimbazaza, omaly...

Eo anatrehan'ny fiaraha-miasan'ny Fanjakana sy ny Eglizy dia hamafisin'ny DSE fa "ny fizakan-tenan'ny andaniny sy ny ankilany, eo amin'ny Eglizy sy ny ankohonana pôlitika dia tsy mitarika fisarahana tsy ahafahana fiaraha-miasa : izy roa tonta, na dia amin'ny lafin'ny samy hafa aza dia samy natao hikarakara eo anivon'ny vahoaka iray amin'ilay antso miantefa amin'ny isam-batan'olona...". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

1 desambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)

♦ Namoaka fanambarana milaza ny hitohizan'ny tolona efa natombony, mba hahatongavana any amin'ny fifidianana tena izy, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny LFI 2024... ♦ Tara adiny roa sy sasany ny fanombohan'ny fifidianana ny Biraon'ny Holafitry ny Infirmiera eto Madagasikara, ho an'Anjozorobe...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...