♦ Manova paik'ady indray ny dahalo ao amin'ny Distrika Ankazobe amin'ny fanafihana ataony. Manentana ny vahoaka sy ny mpitondra eny ifotony ho mailo, hoy ny solombavambahoaka Rija Rasoava Rakotoarisoa... ♦ Maherin'ny 200 ireo voafonja afaka nivoaka ny fonjan'Antanimora omaly nahazo ny fanalefan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika... ♦ Nanokatra ny taona 2024 omaly ny RMDM. Vonona hiady amin'ny tsy rariny sy ny tsy fanajàna ny lalàna izy ireo. Mitohy ny tolona hoy ny mpitondra teniny Pasitera Edouard Tsarahame... ♦ Nanambara ny Praiministra israeliana fa tsy hihazona maharitra an'i Gaza eo am-pelantanany izy ireo. Ny hamongorana ny Hamas no tanjon'izy ireo...
Ny antom-pisian'ny zokiolona : ilaina toy ny tanora izy, afaka mifanampy amin'ny rehetra, mahavita asasoa betsaka noho ny tanora ka zary ohatra ho an'ny olona rehetra. Ny zokiolona dia mahay mitsinjo ny ho avy. Ny zokiolona dia olon'ny fahalalahan-tanana ary mahafoy. Ny zokiolona dia mitaiza sy manabe ny fiaraha-monina misy azy. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
11 janoary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)
♦ Havaozina sy hatsaraina ny paikady fanabeazana entina miatrika ny fifidianana eny anivon'ny Kaominina sy ny fifidianana solombavambahoaka ataon'ny SAFIDY. Misy ny atrik'asa ataon'izy ireo nanomboka androany any Antsirabe... ♦ Nahitam-bokany ny fampandrian-tany ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika Ankazobe, tsara ary tokony ho tohizana izany hoy ny vahoaka. Na izany aza tsy mbola milamina tanteraka ny any an-toerana... ♦ Miisa 909 ireo voafonja voakasiky ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika, ho an'ny fonja eny Antanimora. Nahatratra 263 ireo voafonja nahazo fahafahana hatramin'ny androany hariva ka efa nivoaka ny fonja...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco