♦ Manohana ireo orinasa misehatra amin'ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena ny Governemanta Malagasy, amin'ny alalan'ny fandaharan'asa MBF Agribusiness ao amin'ny tetikasa PIC 3... ♦ Manome tanana amin'ny fanesorana ny fakon'Antananarivo ny Minisiteran'ny Rano sy ny Governemanta iray manontolo, ary ny Faritra Analamanga. Mahatratra 2000 m3 isan'andro ny fako ao Antananarivo Renivohitra... ♦ Ny 25%-n'ny mponina eto Madagasikara dia tsy manana sora-piankohonana, ary tsy afaka misitraka ireo zo mifandraika amin'izany, araka ny tarehimarika navoakan'ny Banky Iraisam-pirenena...

♦ Notendren’i Mgr Georges Varkey, Evekan’i Port-Berger, ho Vikera Jeneraly, i P. Ravelomalaza Jacques Pierre Adolphe, Curé ao amin’ny Paroasy Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely… ♦ Ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianaram-pinoana no torio, hoy i Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, Evekan’ny Diôsezin’Antsirabe, tamin’ireo Diakra miisa 25 nohamasinina ny alahady 14 janoary 2024… ♦ Ny tena fitiavana marina dia mahafoy ny tenany ho an’ny hafa… ♦ Any Etazonia, notanterahina ny 18 nifoha 19 janoary ny alim-bavaka nasionaly ho an’ny fiarovana ny aina…

Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 5, 1-7. 10)

Ianao no hamahana an’i Israely oloko.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Hebrôna amin’i Davida
ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe:

“Indreto izahay fa taolanao sy nofonao ihany izahay.
Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza,
dia tsy iza fa ianao no mitondra an’i Israely nivoaka sy niditra.
Ary ny Tompo nilaza taminao nanao hoe:

Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andrian’i Israely.

Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Isarely;
ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany,
teo anatrehan’ny Tompo, i Davida mpanjaka;
ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.
Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka,
ary efapolo taona no andro nanjakany.
Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana,
ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra telo amby telopolo taona.
Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema,
hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany.
Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe:

“Tsy ho tafiditra atý ianao,
fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.”

Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida.
Kanjo afak’i Davida ny toerana mimanda tao Siôna;
ny tanànan’i Davida izany.
Nandroso nihambony hatrany hatrany i Davida,
ary nomba azy ny Tompo Andriamanitry ny tafika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 20. 21-22. 25-26

Ny Fahamarinana sy ny hatsaram-poko hanjohy azy.

Indray andro, niteny tamin-tsindrimandry Ianao,
nanao tamin’ny voafidinao hoe:
Nanandratra olo-mahery iray Aho;
nanambony olom-boafidy tamin’ny vahoaka.

I Davida mpanompoko no sitrako:
ka nohosorako ilo masina.
Ny tanako homba azy;
ny sandriko hankahery.

Ny Fahamarinana sy Hatsaram-poko hanjohy azy;
ny Anarako hanandratra ny tandrony!
Hapetrako eo amin’ny ranomasina ny tanany anila,
ary eo amin’ny ony lehibe ny tanany anila!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)

Ho rava ny herin’i Satana.

Tamin’izany andro izany,
ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:

“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.”

Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe:

“Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satana?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna,
ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany
ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra,
sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina
no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay.
Satria hoy izy ireo hoe: manana fanahy maloto Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...