Mpanampy mahatoky sady mahefa ny Eveka ny Pretra : toy ny zanaka izy ireo ary sakaiza eo anatrehan'ny eveka. Ny Pretra ao amin'ny Eglizy katôlika dia ireo nandray ny sakramentan'ny filaharana tamin'ny alalan'ny fametrahan-tanan'ny eveka izay manamasina azy. Ho an'ny Eglizy Latina dia tsy manambady ny pretra fa ho an'ny tatsinanana dia manamasina pretra manambady izy ireo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Voamarina izao fa famosaviana niniana natao no nahafaty ireo olona miisa 17, tamin'ilay lanonana natao teny Imerikasinina ny sabotsy teo, raha ny namabaran'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka... • Hotanterahana ny 4 hatramin'ny 7 septambra 2025 ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Famboleana sy ny Fiompiana ary ny Jono na ny FIA... • Notoloran'ny fanjakana malagasy ny mari-boninahitra Commandeur de l'Ordre National, ny Profesora Lily-Arson René de Roland, noho ny fitondrany avo ny anaran'i Madagasikara manerana izao tontolo izao, teo amin'ny sehatra fiarovana ny harena voajanahary...

♦ Vinavinaina hivoaka mialohan'ny faran'ny herinandro izao ny vokam-panadinana CEPE, hivoaka amin'ny pejy facebook an'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ireo Distrika mamoaka ny vokam-panadinana... ♦ Nanaovana tatitra any amin'ny ministeran'ny Atitany, ny Bianco sy ny Ceni, momba ny fanitsakitsahana ny voalazan'ny lalàna amin'ny tsy tokony handraisany anjara amin'ny resaka politika ny lehiben'ny distrika ao Mahajanga-II... ♦ Vonona ny hanao tantsoroka ireo mpandraharaha Malagasy liana te handray anjara amin'ny TICAD andiany fahasivy atao any Japon afaka roa volana ny fikambanana AEMAJA...

Ny Ray aman-dreny mandray andraikitra dia maharo ny zon'ny ankizy. Ny zo dia filàna ara-boajanahary, ny sokajin'olona tsirairay dia manana izany ary indrindra ny ankizy, mba afahany miaina malalaka sy hampivelatra azy. Mifamatotra amin'ny maha-olombelona ny zo. Misy zo fototra 10 iraisana maneran-tany :  Zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, Zo hitafy, zo hilalao, zo hianatra, zo hotiavina... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...