• Nidina ifotony nankahery ireo niharam-boina sy nidonam-pahoriana noho ny fanapoizinana ara-tsakafo tao Ambositra androany, ny Minisitra efatra ao amin'ny Governemanta. Miisa 11 no maty hatramin'ny androany... • Noraisina tamin'ny fomba ofisialy tetsy amin'ny CCI Ivato ireo fiara lehibe fitateram-bahoaka na ny bus mandeha amin'ny herinaratra sy mandeha amin'ny gasoil. Miisa 12 ireo mandeha amin'ny herinaratra raha 30 kosa ireo bus mandeha amin'ny gasoil... • Notokanana androany teny Analakely ny tsangambato faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagsikara. Nisolotena ny Filohan'ny Repoblika tamin'ny fitokanana ny Minisitry ny Foloalindahy Malagasy...
♦ Olona 7 isa indray no matin'ny fahapoizinana ara-tsakafo any Ambositra. Sakafo nohanin'ny fianakaviana noho ny hafaliana fahavitàna Kôminio Voalohany no nahatonga izao loza izao... ♦ Mpitandro ny filaminana 4.000 isa no hahetsika rahampitso mandritra ny fandefasana ny Afomanga etsy amin'ny Lac Iarivo Ivato. Tsy ho latsak'izany koa ireo hanao hetsika eny Mahamasina amin'ny 26 jona izao... ♦ Niaka-bidy indray ny lafarinina eto Madagasikara tato ho ato. Tafakatra any aho an'ny amin'ny 240.000Ariary ny iray gony amin'izao. Sarotra ny fahitàna lafarinina ho vidiana hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...
Ny Ampanjaka Toera dia mpanjakan'ny Sakalavan'ny Menabe, mpanjaka farany nialohan'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany. Isan'ny Ampanjaka nahery fo izy, izay nanohitra ireo mpanjanaka tamin'ny taona 1896. Ny taona 1897 no notafihan'ireo irak'i Jeneraly Gallieni, tao Ambika ny Ampanjaka sy ny vahoakany ary naripaka izy ireo ; notapahin'izy ireo ny lohan'ny Ampanjaka. Nentin'ireo mpanjanaka any ivelany ny lohany (KABESO) ka ao amin'ny Musé de l'homme ao Paris, ankehitriny...
♦ Hifanaretsaka ireo mpampiasa lalana hijery ny Afomanga hanamarihana ny fetim-pirenena ety Ivato rahampitso hariva. Misy ireo fandaminana samihafa momba izany, araka ny nambaran'ny tompon'andraikitra... ♦ Namoaka fanambaràna ny sehatry ny raiamandreny na ny SERA amin'izao mialoha ny dinika momba ny "îles éparses" any Paris Frantsa izao. Lavina marindrano ny hevitra fiaraha-mitantana hoy izy ireo... ♦ Nanitsy ny vaovao navoaky ny JIRAMA ny orinasa Symbion fa tsy simba akory ny milina mpamokatra herinaratr'izy ireo ka nambara fa mampisy ny delestazy... ♦ Nodarohan'i Iran missile omaly hariva ny tobim-pamaharan'ny tafika amerikana Al Odeid any Qatar...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco