• Mitotongana indray ny lanjan'ny vola malagasy. Efa mihoatra ny 5.000 Ariary ny Euro iray ; niakatra ho 4.600 Ariary ny Dolara iray, araka ny hita ao amin'ny tranonkalan'ny Banky Foiben'i Madagasikara... • Hiroso amin'ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely ny Kaominina Antananarivo. Omena hatramin'ny alakamisy izao ireo mpivarotra ireo hialana eny an-toerana, raha ny fitarainan'izy ireo... • Nanome antoka ny eo anivon'ny Jirama, fa madio sy voatily ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fanadiovana, ny rano vokarina. Nanitsy ny feo miely momba ny kalitaon'ny rano, ity orinasa ity...
18 marsa — I Cyrille de Jérusalem dia teraka tao Jerosalema nanodidina ny taona 315. I Acace, arseveka tao Césarée no nifidy azy ho eveka hisolo an'i Maxime ny taona 350. Vetivety foana anefa dia tsy nifankahazo i Cyrille sy i Acace satria nisy adihevitra teôlôjika tamin'izany vokatry ny Kônsily tao Nicée nanameloka ny fampianaran-diso nataon'i Arius.
18 marsa 2025 — Talata, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
• Mbola tsy nankatoa ny fifanarahana Afrikana momba ny Zon'ny Vehivavy i Madagasikara... • Ny 80%-n'ny hazo tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, dia fanao fanafody avokoa. Saingy efa manomboka ho ringana anefa izy ireo, vokatry ny fanimbana ny tontolo iainana ataon'ny olombelona... • Mitsipaka tanteraka ny fikasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hanoloana ny “Licence Taxi” isan-taona, izay handoavana vola 250.000 Ariary, ny mpitondra fiara karetsaka mivondrona ao amin'ny FTAR...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco