Na osa aza isika, eo i Kristy ho herintsika ; Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika. Maro ireo tsy mandray an'i Jesoa amin'ny alalan'ireo fitoriana ny Evanjely. Araka izay voalazan'i Md Paoly dia mba manana ny kilemany ihany koa ny mpaminany, ary mijaly amin'ny fomba maro. Fa hoy i Jesoa : “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”. Koa mila heri-po lehibe ny asa fitoriana ny Evanjely, manana adidy lehibe amin'izany ny Papa Raimasina, sy ireo mpitondra ny Eglizy...

7 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)

Manomboka ny talata 9 hatramin'ny 12 jolay 2024, dia hisy ny hetsika fanaovana vaksiny faobe ; ny vaksiny "polio" dia isan'ny hatao mba hisorohana ny fihitaran'ny aretina izay tsy misy fanafodiny. Ny "arthrose" dia mpahazo ny olona 40 hatramin'ny 50 taona ary ny vehivavy no maro mararin'io. Io aretina io dia vokatry ny fahasimbana eo amin'ny vanin-taolana, manaintaina...  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Tsy azo hihodivirana ny hisian'ireo hery pôlitika samihafa handrafitra ny birao maharitra eny anivon'ny antenimieram-pirenena hoy ny solombavambahoaka teo aloha Bébin Andriantsizehena... ♦ Mbola handray ny fakon'Antananarivo ao anatin'ny roa na telo taona ny eny Andralanitra... ♦ Nanomboka androany eny amin'ny kianjan'i Betongolo ny fitsarana miaramila taona 2024... ♦ Handefa iraka manokana any Doha i Israely hidinika ny fampitsaharana ny ady any Gaza...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...