Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 9-12)

Indro efa eo am-baravarana anie ny mpitsara.

Ry kristianina havana,
aza mifampimonomonona, fandrao dia helohina ianareo.
Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!
Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin’ny anaran’Andriamanitra, ry kristianina,
no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana.
Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra.
Efa renareo ny niaretan’i Jôba;
ary efa hitanareo koa ny nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany.
Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra.
Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry kristianina havana,
dia aza mianiana akory,
na amin’ny lanitra na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa;
fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia,
mba tsy hiharan’ny fitsarana aminareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 11-12

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny Fony.

Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana,
no analavirany amintsika ny hadisoantsika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 1-12)

Izay nakamban’Andriamanitra, tsy azon’olombelona sarahina.

Tamin’izany andro izany:
Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany;
ary nivory teo aminy indray ny vahoaka,
ka nampianariny indray araka ny fanaony.
Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe:

“Mahazo misao-bady va ny lehilahy?”

Ary izao no navaliny azy ireo:

“Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?”

Dia hoy Izy:

“Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.”

Fa hoy kosa i Jesoa:

“Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao,
dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;
noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy,
ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa;
koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.
Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.”

Nony mby tao an-trano,
dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany,
ka hoy Izy taminy:

“Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa
dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;
ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa,
dia mijangajanga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 1-6)

Mitaraina ny karamany ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompo ny tarainany.

Anareo mpanan-karena kosa indray izao:
Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.
Ny harenareo efa lò;
ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao;
ny volamena sy ny volafotsy efa harafesina;
ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo toy ny afo.
Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo.
Indro mitaraina ny karamany ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo;
ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.
Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo
sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana;
namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.
Nanameloka sy namono olo-marina ianareo,
fa tsy nanohitra anareo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 48, 14-15ab. 15de-16. 17-18. 19-20

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny Lanitra.

Jereo ny hanjò ireo matoky tena,
sy lozan’izay minomino foana;
toa ondry mitoby mba hovonoina.

Hiraotra any am-pasana toy ny maty;
mba mailaka erý izy midina any.
Ny endriny hanjavona mora foana.

Ny Tompoko kosa mitsimbina ahy,
vonjeny amin’ny fahafatesana aho;
izay manan-karena aza dia ahina,

raha tany misondrotra manan-daza.
Angaha ny hareny manaraka azy?
Raha maty izy hankaiza ny fiamboniany?

Endrey izany lazany teo aloha,
nohasohasoiny any an-tampon-doha,
izao tafaray amin’ny Razany izy,

tsy hahita mazava mandrakizay.
Izany tokoa he ny manan-kaja,
dia mova tsy biby tsy manan-tsaina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)

Aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny anarako,
satria an’i Kristy ianareo,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny,
dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin’ny vozony,
ka havarina any anaty ranomasina izy.
Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy;
fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena,
dia any amin’ny afo tsy azo vonoina,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy,
fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manana tongotra roa havarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy,
fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao,
toy izay mana-maso roa havarina any amin’ny gehen’afo,
izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo.
Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo,
toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira.
Tsara ny fanasina:
fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony?
Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 4, 13b-17)

Fa inona moa ny ainareo? Koa izao no tokony hatao: raha izao no sitra-pon’Andramanitra.

Ry kristianina havana, ny aminareo izay manao hoe:
Hankany Ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herintaona,
ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra:
kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo;
fa inona moa ny ainareo?
Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray.
Koa izao no tokony hatao:
Raha sitra-pon’Andriamanitra, ka velona ny aina,
dia hanao izao, na izany izahay.
Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo;
ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 48, 2-3. 6-11

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra.

Mandrenesa, ry vahoaka rehetra;
mihainoa, ry mponina eran-tany:
na ny kely na ny lehibe,
na ny manana na ny malahelo.

Inona moa no atahorako amin’ny andro fahoriana,
raha temerin’ny mpisompatra mandoza,
izay mitoky amin’ny hareny,
sy mibohy amin’ny fananany be?

Fa samy mahita an’io avokoa:
fa ny hendry dia maty;
ny adala sy ny kentrina koa, levona,
sy mamela ny hareny ho an’ny hafa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)

Izay tsy manohitra antsika, dia momba antsika.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Jesoa i Joany nanao hoe:

“Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay;
nefa tsy namantsika ka noraranay.”

Fa hoy i Jesoa:

“Aza raranareo izy;
fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako
ka hanaratsy Ahy vetivety foana.
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 4, 1-10)

Mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, ka tsy mahazo.

Ry kristianina havana,
avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo?
Moa tsy avy amin’ny filan-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?
Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo;
mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana;
mifanditra sy miady ianareo;
ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
mangataka ianareo, fa ratsy fangataka,
dia ny hahazo izay hiaranan’ny filan-dratsinareo,
ka tsy mahazo ianareo.
Ry mpisintaka mijangajanga ô,
tsy fantatrareo va
fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?
Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao,
dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain’ny Soratra Masina hoe:
Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy izay nampitoerina ao anatinareo?
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny,
raka ny lazain’ny Soratra Masina hoe:
Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra,
fa manome fahasoavana ny manetry tena.
Koa maneke an’Andriamanitra ianareo,
ary manohera ny demony, dia handositra anareo izy.
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.
Diovy ny tananareo, ry mpanota;
ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.
Fantatro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania.
Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo,
ary hody alahelo ny hafalianareo.
Manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra,
dia hanandratra anareo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 54, 7-8. 9-10a. 11b-11d. 23

Miankìna amin’ny Tompo, fa hanohana anao Izy.

Raha izay hono aho no mba ary elatra toa voromailala
hisidinana hitadiavana toerana,
dia indro ho nandositra any lavitra,
ka ho nonina any an’efitra.

Ho dodona hamonjy fialofana
amin’ny tafioka sy ny rivo-doza!
Akorokoroy, ry Tompo,
saratsaraho ny fiteniny!

An-keriny sy ady no hitako ao an-tanàna;
voasangodina andro aman’alina ny manda.

Miankìna amin’ny Tompo,
fa hanohana anao Izy.
Izy na oviana na oviana
tsy hamela ny olo-marina hivaona!

Evanjely

Aleloia. Aieloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika.

Aleioia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)

Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona. Izay te-ho voalohany no ho mpanompon’ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany,
namaky an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:

“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona, dia hovonoiny,
fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.”

Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo,
ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:

“Inona izany niadianareo hevitra tany an-dalana izany?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra
no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:

“Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra
sy ho mpanompon’ny olona rehetra.”

Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany;
sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:

“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako,
dia handray Ahy,
ary izay mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...