♦ Mitohy ny fikatonan'ny Fiangonana Katôlika rehetra manerana ny Nosy ho fanajana ny fampiharana ny fepetra momba ny hamehana ara-pahaslamana manoloana ny fisian'ny valan'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Mirongatra ny tazomoka any amin'ny faritra Anosy. Misy ny efa maty vokatr'izany... ♦ Laharam-pahamehana amin'ny fanombohan'ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana amin'ny fampianarana any an-tsekoly ny famerenana ny fifantohana eo amin'izy ireo...

(22-04-2020) Mba nahita fahatsaram-piainana ve ianao niaraka tamin'ny ireo vadiaman-janakao tao anatin'ny fihibohana izay?

♦ Olona 52 amin'ireo 121 mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus no efa sitrana ka nalefa nody any amin'ny fianakaviany... ♦ Isan'ireo mararin'ny Coronavirus ka sitrana ny mpitandrina Riana Lalasoa Razafintsalama. Harahantsika ny fijoroana ho vavolombelona nataony... ♦ Niverina an-tsekoly naomboka omaly ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea sy ny BEPC manerana ny Nosy...

Alakamisy 23 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 31-36 — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak'olombelona.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...