Zoma 03 jolay 2020 — Masindahy Thomas, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 24-29 — Nino ianao, ry Tomà, satria nahita, hoy ny Tompo ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

♦ Hamafisina ny ezaka ho entina miatrika ny valan'aretina sy ny fiantraikany eto amin'ny firenena... ♦ Mampihatra ny fihibohana hisakanana ny fihitaran'ny valan'aretina Coronavirus ny any amin'ny distrikan'i Vohipeno, manomboka androany... ♦ Very olomanga ny tontolon'ny pôlitika eto Madagasikara. Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany omaly ny Praiminisitra teo aloha Dokotera Rakotovahiny Emmanuël...

♦ Niampy roa indray ny olona matin'ny Coronavirus eto Madagasikara. Nitombo 89 ihany koa ny tranga vaovao... ♦ Nampahafantarina omaly ny fanombohana ny essai clinique momba ny fitsaboana ny aretina Covid-19... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoaka tetsy amin'ny CCI Ivato ny lalana mifehy ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara...

Ny fahaizana mifandray amin'ny hafa, dia misy fiantraikany aminao bebe kokoa. (01-07-2020)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...