♦ Miha-mitombo isan-kerinandro ny olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara 442 ny tranga vaovao teo anelanelan'ny 16 sy 22 janoary... ♦ Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fitokanana sy fametrahana ny vato fototry ny fotodrafitr'asa maro ao amin'ny diosezin'i Toamasina. Isan'ny nisongadinany fitokanana ny radio televiziona katolika masova... ♦ Tonga omaly ao Toamasina ny vary milanja 7.000 taonina nafaran'ny fanjakana. Amidy 500Ariary ny kapoaka...

Alatsinainy 25 janoary 2021 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-18

Alahady 24 janoary 2021 — Alahady fahatelo mandavantaona — Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; minoa ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20

Ny sampana mitsabo ny fararian'ny taolana dia tafiditra amin'ny fitsaboana tsy mampiasa afatsy tanana. Ny tanana no hitsapana ary ny tanana ihany no hoentina mitsabo, tsy mampiasa menaka. Ny aretina azo tsaboina eo anivon'io sampana io dia izay rehetra mifandray amin'ny taolana : Ozatra, nofo, taova, taolan-damosina, andilana...  

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...