♦ Miisa 5 ny olona voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tamin'ireo tarehimarika 67 nambara tamin'ny herinandro voatery tsy maintsy naverina... ♦ Maty noho ny tifitra nataon'ny zandary azy omaly maraina i Norbert Ramandiamanana na i Lama... ♦ Nisy horohoron-tany nitranga teto Madagasikara alina. Tao amin'ny distrikan'i Fandriana ny foibeny...

Alakamisy 14 mey 2020 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17 — Izaho no nifidy anareo tao amin'izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

♦ Niampy 20 ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tao aorian'ny fitiliana natao omaly tontolo... ♦ Namaly bontana avy hatrany ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron tao aorian'ny tafa nataon'ny Filoham-pirenena Malagasy mikasika ireo nosy malagasy manodidina... ♦ Mihamangina hatrany ny fanatanterahana ny fahatsiarovana ny hetsi-bahoaka tamin'ny 13 mey 1972...

♦ Manamafy ny antso efa nataony tamin'ny herinandro amin'ny tokony hisian'ny fakan-kevitra amin'ny fanarenana ny toe-karena sy ny sosial'i Madagasikara aorian'ny fiatrehana ny valan'aretina Coronavirus eto amin'ny firenena Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianiriana... ♦ Afaka miasa malalaka amin'ny ora rehetra ny mpanao gazety eto amin'ny faritra Analamanga hoy ny Filohan'ny Holafitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...