Maro ireo tanora no tsy mahafantatra ny talenta ao aminy, ary lasa mikombona anaty. Tojo fahasahiranana izy ireny ka toroina hevitra mba tsy hikombona amin'ny tenany. Nijery dia nitia azy ireny Jesoa, ary manana adidy hikolokolo sy hikarakara azy ireny koa isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alakamisy 29 jolay 2021 — Masimbavy Marta — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 19-27

♦ Mahatratra 500 ireo fitarainana voarain'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon'olombelona "CNIDH"... ♦ Ireo mbola tsy nanao vaksiny covishield no hisitraka ny vaksiny Johnson and Johnson, hoy ny ministry ny fahasalamambahoaka androany... ♦ Nampizarazara hevitra ny mpampiasa lalana kosa ny andrana ara-teknika amin'ny fandaminana ny fifamoivoizana teny Antanimena, androany... 

♦ Miroso lalindalina hatrany ny fanadihadiana momba ilay raharaha voalaza fa fikasàna hamono tompon'andraiki-panjakàna ambony eto amin'ny firenena. Misy manamboninahitra Jeneraly am-perinasa ihany koa amin'izao voarohirohy... ♦ Ho voavaha ny olana amin'ny famatsian-drano amin'ireo Kaominina maromaro eny amin'ny distrika Atsimondrano, tafapetraka ny toby fanadiovana rano... ♦ Mpampianatra Fram 8 900 no ho raisina mpiasam-panjakàna. Hisy ampahany amin'ireo no ho ampidirina mialoha ny volana septambra izao... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...