Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.

Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simôna Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe: "Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy". Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana. Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana tery. Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona i Jesoa.

Rehefa afaka ny Sabata, dia nividy zava-manitra i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jakôba, ary Salôme, mba handeha hanosotra ny Vatan’i Jesoa. Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin’ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro. Ary izy nifampilaza hoe: "Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin’ny varavaram-pasana e?" Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe, ka indro efa voakodia izy. Nony niditra tao am-pasana izy, dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana, ka taitra. Fa hoy ilay zatovo taminy: "Aza matahotra ianareo; mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo; efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto; teo no nametrahany Azy. Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy amin’i Piera fa hialoha anareo any Galilea Izy, ka any no hahitanareo Azy, araka ny efa voalazany taminareo".

Dia nivoaka ny fasana izy ireo, ka nandositra, fa sady toran-kovitra no raiki-tahotra, ary tsy nilaza na inona na inona tamin’ny olona izy noho ny tahony.

Tamin’izany andro izany, dia lasa i Jesoa sy ny mpianany nankany andafin’ny riakan’i Sedrôna, izay nisy saha anankiray nidiran’Izy sy ny mpianany. Fantatr’i Jodasy ilay namadika Azy koa io toerana io, satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany matetika. Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo ary fiadiana. I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjo Azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe:

  • Iza no tadiavinareo?

Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy:

  • I Jesoa avy any Nazareta.

Ka hoy i Jesoa taminy:

  • Izaho no Izy.

Eo koa izany i Jodasy ilay namadika Azy. Vao nilazan’i Jesoa hoe: Izaho no Izy, dia nianòtra izy ireo ka niankarapoka tamin’ny tany. Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe:

  • Iza no tadiavinareo?

Dia hoy izy ireo:

  • I Jesoa avy any Nazareta. Ka novalian’i Jesoa hoe:
  • Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.

Izy no nilaza izany dia ny mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe: "Tsy nisy very izay nomenao Ahy na dia iray aza". Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahiny, dia nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka tery ny sofiny an-kavanana. Malkosy no anaran’ilay mpanompo. Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera:

  • Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?

Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tompon’arivo ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa ka namatotra Azy. Tany amin’i Ana aloha no nitondrany Azy fa io no rafozan’i Kaifa izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany. Ary i Kaifa kosa no nanome saina ny Jody hoe: "Mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray". Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa, ary fantatry ny lehiben’ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao antokotanin’ny lehiben’ny mpisorona. Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera. Fa hoy ity ankizy vavy mpiandry vavahady tamin’i Piera:

  • Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?

Ary hoy izy:

  • Tsia.

Nangatsiaka ny andro tamin’izay, ka nipetraka namindro teo amin’ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera. Ary ny lehiben’ny Mpisorona nanadina an’i Jesoa ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany, ka hoy i Jesoa namaly azy:

  • Niteny am-pahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy ny Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona; ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko.

Nony nilaza izany i Jesoa dia nasian’ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina, sy nataony hoe:

  • Izany ve no famalinao ny lehiben’ny Mpisorona?

I Jesoa namaly azy hoe:

  • Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?

Dia nasain’i Ana nentina am-patorana ho any amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona Izy. Ary i Simôna Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe:

  • Moa tsy isan’ny mpianany koa va ianao?

Fa nandà izy nanao hoe:

  • Tsia.

Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina:

  • Tsy ianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha?

Fa nandà indray i Piera, ary niaraka tamin’izay dia nisy akoholahy naneno. Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa ho any amin’ny tranon’ny Governora. Efa maraina ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afaka mihinana ny Paka. Koa i Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo alatrano, nanao hoe:

  • Inona no iampanganareo io Lehilahy io?

Dia hoy ny navalin’izy ireo azy:

  • Raha tsy mpanao ratsy Izy dia tsy natolotray anao.

Ka hoy i Pilaty taminy:

  • Ento Izy, ka tsarao araka ny lalànareo.

Fa hoy ny Jody namaly azy:

  • Tsy manam-pahefana hanamelon-ko faty izahay.

Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jesoa momba ny fahafatesana hanjo Azy. Dia niditra tao an-trano i Pilaty, ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe:

  • Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?

I Jesoa namaly hoe:

  • Anao samy irery izany teny izany, sa an’olonkafa nilaza Ahy taminao?

Dia namaly i Pilaty nanao hoe:

  • Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?

I Jesoa namaly hoe:

  • Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho, fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako.

Dia hoy i Pilaty taminy:

  • Koa Mpanjaka izany Ianao?

Ary novalian’i Jesoa hoe:

  • Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tety an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.

Dia hoy i Pilaty taminy:

  • Inona ny marina?

Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe:

  • Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza. Fa araka ny fanao amin’ny Paka, dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho, koa tianareo ve ny handefasako ny Mpanjakan’ny Jody?

Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe:

  • Tsy Izy, fa i Barabasy.

Kanefa jiolahy i Barabasy. Tamin’izay nalain’i Pilaty i Jesoa ka nasainy nokapohina. Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiany kapaoty jaky Izy. Raha efa izany, dia nanatona Azy izy ireo, ka sady namely tehamaina Azy no nanao hoe:

  • Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.

Dia nivoaka indray i Pilaty ka nanao tamin’ny Jody hoe:

  • Indro Izy entiko manketo aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza.

Tamin’izay nivoaka i Jesoa nisatroka fehiloha tsilo sy nitafy kapaoty jaky, ka hoy i Pilaty tamin’ny Jody:

  • Indro ny Lehilahy.

Nony nahita Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantso nanao hoe:

  • Fantsiho, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Fa hoy i Pilaty tamin’izy ireo:

  • Ento àry Izy, ka fantsihonareo, fa izaho tsy mahita izay helony.

Dia hoy ny Jody namaly azy:

  • Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay, dia tsy maintsy vonoina Izy, satria manao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.

Nandre izany i Pilaty, vao mainka natahotra. Ary niditra tao an-trano indray izy, ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

  • Avy aiza moa Ianao?

Fa tsy namaly azy i Jesoa. Ka hoy i Pilaty taminy:

  • Izaho indray ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha fa sady manam-pahefana handefa Anao aho, no manam-pahefana hamantsika Anao amin’ny Hazofijaliana koa?

Dia namaly i Jesoa hoe:

  • Tsy hanam-pahefana amiko ianao, raha tsy nomena anao avy any ambony izany, koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.

Hatramin’izay dia nitady handefa Azy i Pilaty. Fa nantsointsoin’ny Jody hoe:

  • Raha mandefa an’io ianao, dia tsy mba sakaizan’i Sezara, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsangan-kanohitra an’i Sezara.

Nony nandre izany teny izany i Pilaty, dia nitondra an’i Jesoa nivoaka, ka nipetraka teo amin’ny fitsarana, eo amin’ny fitoerana atao hoe: Litôstrôtôs (lalam-bato), na Gabatha amin’ny teny hebrio. Andro fiomanana amin’ny Paka tamin’izay, ary tokony ho tamin’ny ora fahenina dia izao no nolazain’i Pilaty tamin’ny Jody:

  • Indro ny Mpanjakanareo.

Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe:

  • Esory, esory, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Ka hoy i Pilaty taminy:

  • Dia hofantsihako amin’ny Hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo?

Fa hoy ny lohan’ny mpisorona hoe:

  • Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara.

Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa, ka noraisin’izy ireo Izy dia nentiny. Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliana, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvery Izy (Ankarandoha), na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio. Teo no namantsihany Azy tamin’ny Hazofijaliana, niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa fa i Jesoa teo ampovoany. Ary nanao soratra i Pilaty, napetany teo andohan’ny Hazofijaliana, ka izao no vàkiny: JESOA AVY ANY NAZARETA MPANJAKAN’NY JODY.

Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin’ny tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa, sady vita tamin’ny teny hebrio sy grika ary latinina ny soratra. Ka hoy ny mpisoron’ny Jody tamin’i Pilaty:

  • Aza atao hoe mpanjakan’ny Jody, fa hoe: Izy nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jody Aho.

Fa hoy i Pilaty hoe:

  • Izay voasoratro, dia voasoratro.

Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana Izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany, hatrany ambony ka hatrany ambany, ka nifampilaza izy ireo hoe:

  • Aoka tsy horovitintsika ity, fa aoka hilokantsika, dia ho lasan’izay hahazo ny loka.

Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko. Dia izany no nataon’ny miaramila. Ary nitsangana teo akaikin’ny Hazofijalian’i Jesoa ny Reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin’i Kleofasy ary i Maria Madalenina. Nony hitan’i Jesoa ny Reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dreniny;

  • Ravehivavy, indro ny zanakao.

Ary hoy Izy tamin’ilay mpianany:

  • Indro ny Reninao.

Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy. Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa, fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy Izy, mba hahatanteraka ny Soratra Masina:

  • Mangetaheta Aho.

Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalainy ny spônjy, novontosana vinaingitra, sy notohizana tamin’ny hazo hisôpy, dia natohoka teo am-bavany. Vao nanandrana ny vinaingitra Izy, dia nanao hoe:

  • Tanteraka ny zavatra rehetra.

Dia nanondrika ny lohany Izy ka niala aina.

M. Ary andro fiomanana tamin’izay, ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody, mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny hazofijaliana amin’ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany, sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay. Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filàzany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: "Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza". Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: "Hijery izay nolefonina izy". Rehefa afaka izany, i Jôsefa avy any Arimatia, izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko, noho ny fahatahorany ny Jody, dia nangataka tamin’i Pilaty, mba haka ny fatin’i Jesoa, ka neken’i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa. Ary tonga koa i Nikôdema, ilay nanatona an’i Jesoa nony alina, tamin’ny voalohany, nitondra mira sy alôesy nampifangaroina, tokony ho zato livatra. Koa nalainy ny fatin’i Jesoa, dia nasiany zava-manitra, sy nofonosiny lamba araka ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana. Nisy saha anankiray kosa teo amin’ny toerana namantsihana an’i Jesoa, ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin’ilay saha. Ka noho ny maha-andro fiomanan’ny Jody tamin’izay, dia tao no nandevenany an’i Jesoa, satria akaiky ny fasana.

Talohan’ny fankalazana ny Paka, fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ka rehefa notiaviny tokoa ny azy izay amin’izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy. Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna moa efa nomen’ny demony hevitra hamadika Azy, i Jesoa kosa nahalala fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany ny zavatra rehetra, ary Andriamanitra no niaviany sady Andriamanitra koa no iverenany, dia nitsangana teo am-pihinanana izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famàohana ka nisikinany; raha efa izany, nampidina rano tamin’ny tavy Izy, dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra, sy namaoka azy tamin’ny lamba nisikinany. Ary nanatona an’i Simôna Piera izy; fa hoy i Piera taminy: "Adre! Ianao ve, Tompoko, no hanasa ny tongotro?" Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Tsy fantatrao izao izay ataoko, fa ho fantatrao aoriana". Fa hoy i Piera taminy: "Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana oviana Ianao". Ka hoy i Jesoa namaly azy: "Raha tsy sasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko". Dia hoy i Simôna Piera taminy: "Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko, fa ny tenako sy ny lohako koa". Fa hoy i Jesoa taminy: "Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra". Izy no nanao hoe: Tsy ianareo rehetra no madio, dia satria fantany ilay hamadika Azy.

Nony efa voasasany ny tongotr’izy ireo, dia nandray ny lamba Izy, ka nipetraka indray, ary nanao taminy hoe: "Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo? Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo; fa izany tokoa Aho. Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy hifanasa tongotra; satria nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo".

[Miara-dàlana] Zoma 29 nôvambra 2024

  • Miomana amin'ny fandraisana ny Eveka vaovao, Mgr Marcellin Randriamamonjy, ny Diôsezin'i Farafangana...
  • Nanatanteraka fihaonambe fanao isan-taona nandritra ny hateloana, ny Vaomiera misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe...
  • Torio an-kafaliana ny Evanjely, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony nandritra ny Audience générale, ny alarobia 27 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...