♦ Mitaky ny hanokafana fanadihadiana lalina sy tsy mitanila, manoloana ireo loza niseho tany amin'ny Faritra Analanjirofo, ny KMF/CNOE Fanabeazna Olompirenena... ♦ Mitombo be ireo mpandeha mihazo ny faritra amin'izao ankatoky ny fety izao. Tsy maharaka noho izany ireo fiara fitaterana... ♦ Samy manana ny fomba hamaranana ny taona sy hitsenana ny taona vaovao ny tsirairay. Entina amin'izao vaovao izao ny fanadihadiana momba izany...

Maro ireo lohahevitra nifampizaràna nandritry ny taona 2021, nifampizaràna ary nahafahana nanasongadina ny hoe : fibeazana miaina sy mitia. Lohahevitra lehibe ny hoe : fifankaherezana sy fifanohanana, indrindra tamin'ny fiatrehana ny covid-19. Fintinina amin'ity fandaharana ity ny vita rehetra nandritry ny taona 2021 ka arahina tomban'ezaka.

♦ Tsy maintsy hajaina ireo fepetra mifanaraka amin'ny fahamailoana ara-pahasalamana amin'izao ankatoky ny fety izao, hoy ny Préfet-n'ny Pôlisy, eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Maty avokoa ireo roalahy nandeha moto, nisy nitifitra tany Amboasary... ♦ Nahatratra roa amby telopolo, tao anatin'ny efa-bolana, ireo olona voasambotra sy nofonjaina noho ny fakana an-keriny tany amin'ny Distrikan'Anjozorobe...

Ny fikambanana masina na ny any an-tsekoly, na any am-piangonana dia antsoina hamoha ny antson'Andriamanitra ho pretra. Ny fampandraisana  andraikitra any amin'ireny sehatra ireny no miteraka fahazarana ho an'ny tanora. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...