Antsoina hiombona ao anatin'ny fiangonana isika. Antsoin'Andriamanitra hiaina ao anatin'ny fiangonana isika ary  handray anjara mavitrika amin'ny asa fitoriana. Noho izany dia fiombonan'ireo nantsoin'Andriamanitra ny fiangonana. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Alakamisy 10 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 24-30

♦ Tanora Malagasy miisa roa arivo, eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 24 taona no hisitra mivantana ny tetik'asan'ny Don Bosco Madagasikara, izay iarahany amin'ny mpiara-miombona antoka isan-tsokajiny... ♦ Mampanahy ny fiantraikan'ny fampiasana ny tambazotran-tserasera eto Madagasikara... ♦ Efa miverina amin'ny laoniny nanomboka androany ny fitaterana amin'ny Lalam-pirenena fahafito...

♦ Hampifandraisina sy hampifamenoana ny fanofanana arak'asa sy ny fandaharana vokarina amin'ny onjam-peo eto amin'ny RDB, Tanjona ny hanampiana ny tanora, sehatra iandraiketan'ny fikambanana Saleziana... ♦ Miantso ny rehetra hifankatia, hifanampy, ary hifanaja manoloana ny voina mahazo ny mpiray tanindrazana ny evekan'ny Diosezin'i Farafangana... ♦ Nankasitrahan'ny filohan'ny repoblika ny fahendren'ny mpianatra any amin'ny Oniversiten'Andrainjato, ka handray vatsim-pianarana fanampiny, raha vao mahazo ilay carte bancaire...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...