I Masimbavy Angèle Mérici, mpanorina ny fikambanana Ursulines no tsaroana ny 27 janoary. Teraka tao Desenzano, akaikin'ny farihin'i Garde tamin'ny taona 1474 i Angèle Mérici. Fanirian'ireo ray aman-dreniny, izay tena kristianina tokoa, ny mba hahitan'ireo zanany ny fahasambarana ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra.

Ny vavaka dia mila fifantohana tanteraka. Ny vavaka dia mila fanazaran-tena, indrindra ny fametrahana ny fiainana amin'Andriamanitra. Mila mifantoka amin'Andriamanitra isan'andro ny olona mivavaka. Ny fandinihana masina, ny tonom-bavaka samihafa dia isan'ny ireo fomba ahafahana mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 3, 9-24)

Noroahin’Andriamanitra hiala tao am-paradisan-tany izy mba hiasa ny tany.

Ny Tompo Andriamanitra niantso an’i Adama nilaza taminy hoe:

“Aiza moa ianao?”

Hoy ny navaliny:

“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra, fa mitanjaka,
ka dia niery aho.”

Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:

“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?”

Hoy ny navalin-dralehilahy:

“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko
no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho.”

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:

“Ahoana no nanaovanao izany?”

Hoy ny navalin-dravehivavy:

“Ny bibilava no namitaka ahy,
ka dia nihinana aho.”

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:

“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra
sy ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovotany no hohaninao
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy,
ny taranakao sy ny taranany:
izy hanorotoro ny lohanao,
ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.”

Ary hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao;
fijaliana no hiterahanao zanaka;
hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.”

Dia hoy Izy tamin-dralehilahy:

“Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao
ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao,
dia voaozona ny tany noho ny nataonao.
Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy
mandritra ny andro rehetra hiainanao.
Tsilo sy hery no vokatra homeny anao;
ary anana eny an-tsaha no hohaninao.
Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina
mandra-piverinao amin’ny tany;
satria tany no nangalana anao,
fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.”

Ary i Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny,
satria izy no renin’ny olombelona rehetra.
Nanaovan’ny Tompo Andriamanitra akanjo hoditra
i Adama sy ny vadiny dia natafiny azy.
Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:

“Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona
raha ny amin’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Fa amin’izao kosa aoka tsy haninjitra ny tanany izy
haka amin’ny hazon’aina koa, sy hihinana izany,
ka ho velona mandrakizay.”

Dia navoakan’ny Tompo Andriamanitra
hiala tao amin’ny sahan’i Edena izy,
mba hiasa ny tany izay nangalana azy.
Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima
sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena,
mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 89, 2. 3-4. 5-6. 12-13)

Tompo ô, Ianao no fialofanay hatramin’ny mandrakizay.

Mbola haizina ny tany, irony vohitra tsy àry,
ny tontolo zavozavo mbola tsy naterakao:
efa teo Ianao, ry Tompo, hany tokana mahefa,
Ilay tsy nanam-piandohana ka ho velona mandrakizay.

Nampodinao ho vovoka ny arin-tananao:
“Miverena hoy Ianao, ry taranaka voafetra.”
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona,
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.

Moa tsy nofy indaosinao ka misinda vao maraina,
toy ny ahitra eny an-tsaha izay mandrobona mitsiry,
manipelana maraina vaky vony sy mijoro,
fa milofika malazo, very aina ny hariva.

Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;
atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena.
Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava:
mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)

Nihinana ny olona ka voky.

Tamin’izany andro izany:
nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina
dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Mampalahelo ahy ity vahoaka,
fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina;
ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana
dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany.”

Dia hoy ny mpianany namaly Azy:

“Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atý an’efitra?”

Ary Izy nanontany azy hoe:

“Manana mofo firy ianareo?”

“Fito”, hoy izy ireo.

Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka
ary noraisiny ny mofo fito,
ka nony vita ny fisaorana dia novakìny,
sy nomeny hozarain’ny mpianany,
ary nozarainy tamin’ny vahoaka.
Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy,
ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina.
Ary nihinana ny olona ka voky,
ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika.
Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.
Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany,
ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 3, 1-8)

Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo: mahalala ny tsara sy ny ratsy.

Ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha
izay nataon’ny Tompo Andriamanitra.
Hoy izy tamin-dravehivavy:

“Hay va re Andriamanitra nanao hoe:
Aza mihinana amin’ny hazo rehetra amin’ny saha ianareo.”

Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava:

“Mihinana amin’ny voan’ny hazo amin’ny saha izahay;
fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha
no nanaovan’Andriamanitra taminay hoe:

“Aza mihinana amin’izany ary aza mikasika izany akory,
fandrao maty ianareo.”

Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy:

“Tsia, tsy ho faty akory ianareo:
fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinanareo amin’izany,
dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo,
mahalala ny tsara sy ny ratsy.”

Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana
mahate-hijery sy mendrika hoirìna mba hahazoana fahiratan-tsaina;
nioty tamin’ny voany izy,
dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy,
ary nihinana izy.
Nisokatra ny mason’izy mivady,
ary fantany fa nitanjaka izy;
ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina.
Tamin’izay dia ren’izy ireo ny feon’ny Tompo Andriamanitra
nandalo tao amin’ny saha rahefa nangatsiatsiaka ny andro;
ka niery ny Tompo Andriamanitra
tao anaty hazon’ny saha ralehilahy sy ny vadiny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 31, 1-2. 5. 6. 7)

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota.

Sambatra izay afa-keloka
sy voavela ota!
Eny, sambatra ny olona tsy itanan’ny Tompo hadisoana,
sy tsy misy fitaka eo am-bava!

Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako:
“Miaiky heloka aho Tompo!” hoy aho:
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota!

Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe,
izy tsy mba ho trany.

Ianao no fiereko
miaro amin’ny loza;
izaho hodidininao
hiram-pahafahana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

Nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira, ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana
nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:

“Efeta, izany hoe, misokafa.”

Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny
ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy,
ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:

“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...