♦ Hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka ho an'ny ankizy, manentana azy ireo mba ho ankizy apôstôlin'ny ankizy marina tokoa, eo amin'ny lafim-piainana rehetra... ♦ Manolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an'ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny JNE-3, notontosaina teto Antananarivo, ny Vikera Jeneraly eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hanatanteraka ny "pèlerinage" nasiônaly ny avy eo anivon'ny "Aumônerie militaire"...

Hivaha tsy ho ela ny olan'ireo mpiantsehatra amin'ny fiompiana akoho manatody lava sy ny fakàna nofo amin'ny fahitàna ny katsaka foto-tsakafon'ny akoho ompian'izy ireo sy ny halafosany.

♦ Misy lesona tsara azo tsoahana manoloana ny fijoroan'ireo miaramila any Niger, hoy ny antoko Otrikafo. Tsy voatery amin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana anefa no hanehoan'ny samy Malagasy izany... ♦ Nilaza ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, fa efa manomboka mihena ny tsy fandriam-pahalemana. Azo porofoina amin'ny antontan'isa izany, raha ny fanazavany... ♦ Tafidina hatramin'ny 1000 na 800 Ariary ny vidin'ny lojy iray kilao any Ambatoboeny, hoy ireo mpamboly...

Ny olona afaka dia manompo an'Andriamanitra, manatanteraka ny asa an-tsitrapo, tsy misy nenina, miasa am-pitiavana. Ny asa ny vahoaka afaka dia mamaritra ny maha izy ny olombelona. Ny miasa maimaimpoana dia mahafoy ho an'ny hafa sy ny Tompo. Ny fitiavana an'Andriamanitra misokatra amin'ny fitiavana ny hafa dia mampitodika amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...