Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 1, 16-25)
Ry kristianina havana,
tsy menatra ny Evanjely aho,
satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino,
dia ny Jody aloha, vao ny jentily.
Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitra
avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe:
“Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.”
Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra,
mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra
sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina
amin’ny tsy fahamarinany,
satria miseho miharihary ao aminy
izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra,
fa nasehon’Andriamanitra taminy izany.
Fa ny fombany tsy hita,
toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy,
dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany
ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra;
koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
fa nahalala an’Andriamanitra izy,
nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy;
fa nanjary zava-poana izy tamin’ny fisainany,
ary tonga maizina ny fony donto.
Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala,
fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lò,
dia nosoloany sarin-javatra mety lò,
toy ny olombelona,
na ny vorona,
na biby mandady tongotra efatra,
na biby mikisaka.
Noho izany,
dia navelan’Andriamanitra izy ireo
hoentin’ny filan-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana,
mba hifanala baràka amin’ny tenany
ary nosoloany lainga ny fahamarinan’Andriamanitra,
ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina
toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay. Amen!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 18, 2-3. 4-5
Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka.
Ny alina indray mitantara amin’ny alina.
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.
Aleloia. Aleioia.
Araikao amin’ny Fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.
Aieloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy,
ka niditra Izy dia nipetraka nihinana.
Fa velona eritreritra ilay Farisianina
nahita itý Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana,
ka hoy ny Tompo taminy:
“Ianareo Farisianina kosa iky
mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia,
kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.
Ry adala,
moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa?
Izao ihany:
manaova fiantrana araka izay anananareo,
dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Maro ny olana fa ireto no matetika mitranga amin'ny fiainam-panambadiana : ny fanatanterahana ny asa aman-draharaha, ny ara-bola, ny fanabeazana ny zanaka, ny tsy fahaizana miresaka na mifanakalo hevitra ary indrindra ny eo amin'ny lafiny ara-pananahana (firaisana ara-nofo, fahasarotam-piaro) ka mahatonga ny fisarahana. Na eo aza izany dia tokony tsy hiafara amin'ny fisarahana izany ny mpivady satria Sakramenta ny Mariazy ary koa mila mifampatoky ka miara-mikaroka vaha-olana am-panajàna : tsy manao teny mandratra, tsy miresaka ny lasa loatra, mila mahay mifampihaino sy manaiky ny tsy fitoviana na ny fahasamihafana, manana fijery mihabo sy tsara Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
♦ Mbola hitohy anio ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny Antenimieran-doholona. Tsy tapak'ireo Loholona omaly ny fanesorana amin'ny toerany ny Filohany, Razafimahefa Herimanana... ♦ Mihemotra ho amin'ny 16 nôvambra 2023 ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, fihodinana voalohany, ary niampy 15 andro ny fampielezan-kevitra. Voatazona ny datin'ny 20 desambra, fifidianana fihodinana faharoa... ♦ Hifamaliana ny resaka fanakorontanana eo amin'ny kandidà laharana faha-3 izay manohy ny fampielezan-kevitra sy ny vondron'ireo kandidà 11, tsy mihemotra amin'ny diabe amim-pilaminana...
Famaliana ny didim-pitiavan'i Kristy ny ezaka rehetra hikatsahana ny soa ho an'ny daholobe. "Didy vaovao no omeko anareo : mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo" Jn 13, 34. Ny fanorenana ny soa iombonana no hetahetan'ny Egilzy katôlika araka ny fampianarany momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy. Ny soa iombonana dia tsy misy lanjany raha tsy miompana amin'ny voaary manontolo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco