Firy taona aty aorian'ny nahazoana ny fahaleovantena, tsy mbola hita taratra ihany ny fahatomombanan'ny fandrosoan'ny firenena Malagasy. Eo amin'ny tontolo pôlitika fotsiny ohatra, ny fanomanana fifidianana izay miteraka olana miverimberina, ary mitovy foana. Izany indrindra no niresahana ireo zavatra na toe-javatra tokony atao laharam-pahamehana hanorenana ny firenena ka hisian'ny fandrosoana marina. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny sampan'asa fandraisana anjara amin'ny maha-olom-pirenena sy fahombiazana ara-toekarena...

♦ Efa eny am-pelatanan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny tolo-kevitra amin'ny anaran'ireo ministra hotendrena ao anatin'ny Governemanta vaovao. Andrasana ny famoahana ôfisialy ireo mpikambana handrafitra izany...  ♦ Miandrandra fihaonana amin'ny vondron'ireo mpampiasa ny FISEMARE manoloana ny fampiakarana ny karama ho an'ny sehatra tsy miankina... ♦ Miisa 280 reo boky novokarin'ny faribolana Sandratra tao anatin'ny 35 taona nijoroany... ♦ Nihoatra ny 200% ny tahan'ny fisondrotry ny vidim-piainana tany Argentine tamin'iny taona 2023 iny...

Tsy misy fanantenana ny fiainantsika rehefa tsy misy zokiolona. Ny vehivavy dia mahari-pery, mahavita manohana ny vadiny mandrankariva. Vitsy ny lehilahy manana herim-pom-bahivavy, môdely kokoa amin'ny faharetana ny zokiolona vehivavy. Afa-mifanohana ny zokiolona rehefa misy iray mijoro. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

12 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 1-12)

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...