Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 19-22)
Ry kristianina havana,
tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo,
fa mpiray fanjakana amin’ny olomasina sy isam-pianakavian’Andriamanitra;
ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo,
ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro.
Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara,
mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo;
ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 116, 1. 2.
Derao ny Tompo,
ry firenen-drehetra!
Ankalazao Izy,
ry foko rehetra.
Fa aminay tsy mba lefy
ny hatsaram-pony,
ary mandrakizay
ny fahamarinany!
Aleloia. Aleloia.
Nino ianao, ry Tômà, satria nahita, hoy ny Tompo; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 24-29)
Tamin’izany andro izany, i Tômà,
anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy,
tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy:
“Efa nahita ny Tompo izahay.”
Fa hoy izy tamin’ireo:
“Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika
ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako,
ary atehiko amin’ny fony ny tanako,
dia tsy hino aho.”
Nony afaka havaloana,
raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà,
dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana.
Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Ary hoy Izy tamin’i Tômà:
“Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako,
ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny foko;
dia minoa, fa aza malain-kino.”
Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe:
“Tompoko sy Andriamanitro!”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy;
sambatra izay tsy nahita ka mino.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Amôsy Mpaminany Amôsy (Amôsy 3, 1-8 ; 4, 11-12)
Ry zanak’i Israely,
henoy izao teny notononin’ny Tompo ny aminareo izao,
sy ny amin’ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta,
— dia ny teniny manao hoe:
Ianareo irery no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany;
ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.
Miara-mandeha va ny olona roa, raha tsy efa nifanaiky izy?
Mierona any an’ala va ny liona, raha tsy efa nahazo remby?
Maneno any an-davany va ny feon’ny liona tanora, raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory?
Latsaka eo amin’ny fandrika eo amin’ny tany va ny fody, raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao?
Moa miainga avy eo amin’ny tany va ny fandrika, raha tsy efa nahazo zavatra izy?
Trômpetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka?
Misy loza tonga amin’ny tanàna va, raha tsy ny Tompo no nahatonga izany?
Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Andriamanitra,
raha tsy efa nanambara ny heviny miafina tamin’ny mpaminany, mpanompony.
Efa nierona ny liona, ka zovy no tsy hatahotra?
Efa niteny ny Tompo Andriamanitra, ka iza no tsy haminany?
Nahatonga fanakorokoroana ao anatinareo aho
toy ny nanakorokoroan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy Gômôra,
ary ianareo izany, dia toy ny forohana voatsoaka tamin’ny hain-trano;
nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo,
— teny marin’ny Tompo —
Ka noho izany, izao no hataoko aminao, ry Israely.
Koa rahefa izany no hataoko aminao,
dia miomàna amin’izany fihaonana amin’Andriamanitrao izany ianao, ry Israely.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 5, 5-6. 7. 8
Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao;
ny olon-dratsy tsy monina ao aminao;
ny adala tsy mijoro eo anoloan’ny masonao;
ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.
Ny mpiteny lainga levoninao;
ny tia ra, ny mpamitaka, halan’ny Tompo!
Fa izaho, noho ny hatsaram-ponao lehibe,
dia hiditra ny Tranonao,
hiankohoka ao an-Tempolinao masina,
miaraka amin’ireo mpanoa Anao.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 23-27)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany.
Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina,
ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.
Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe:
“Tompoko, vonjeo izahay, fa maty.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?”
Dia niarina Izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina,
ka tonga tony dia tony ny andro.
Ary gaga ny olona, ka nanao hoe:
“Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Velon-taraina amin'ireo antsojay ambarany ho mahazo azy ny Antesaka ka nampita hafatra ho an'ny fikambanana BAM sy ny Fikambanana Sud-Est... ♦ Andrasana amin'ity herinandro ity ny hirotsahan'ny ampaham-bola voalohany amin'ilay fandaharana FEC sy FRD mitentina 663 tapitrisa Dôlara. Miisa telo ireo fepetra nahafahana nisitraka io famatsiam-bola io... ♦ Niakatra 6,79% ny taham-pahafahana tamin'ny fanadinam-panjakàna CEPE ho an'ny fari-piadidim-pampianarana Antananarivo renivohitra... ♦ Nodimandry tamin'ny alakamisy teo Mopera Blanco Rodriguez, izay mpampikonfesy an'ny Papa François...
Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôs. 2, 6-10. 13-16)
Izao no lazain’ny Tompo:
Noho ny heloka telo nataon’i Israely sy noho ny efatra — tsy hahemotro ny didy.
Satria namidiny vola ny marina;
ary ny mahantra koa noho ny kapa iray lomisy;
satria irìny mafy ny mahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory;
sy ataony izay hiketrahan’ny lalan’ny madinika;
satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany
mba handotoany ny Anarako masina;
satria lamba azony tamin’ny tsatoka
no iamparany eny anilan’ny ôtely rehetra eny;
ary ny divay avy tamin’izay nosaziny lamandy
no sotroiny ao an-tranon’ny andriamaniny.
Teo anoloan’izy ireo anefa no nandringanako ny Amôreanina
izay avo be hoatra ny sedera, sy matanjaka hoatra ny oaka.
Noravako avokoa ny voany teny ambony; sy ny fakany teo ambany.
Nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta anefa Aho,
sy nitari-dalana anareo, efapolo taona tany an’efitra,
mba hametrahako anareo ho tompon’ny tanin’ny Amôreanina.
Indro Aho efa hanosihosy anareo,
hoatra ny fanosihosin’ny sarety raha feno amboara.
Ka ny faingam-pandeha, tsy ho afa-mandositra
ary ny matanjaka, tsy hahita ny heriny intsony;
ary ny mahery fo, tsy hahavonjy ny ainy;
ary ny mpahay tsipìka tsy hahatohitra;
ary ny faingan-tongotra, tsy ho afa-mitsoaka;
ary ny mpitaingin-tsoavaly, tsy hahavonjy ny ainy.
Ary ny mahery fo amin’ny mahery,
handositra miboridana amin’izany andro izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 49, 16bd-17. 18-19. 20-21. 22-23
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko,
sy manao ny Fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra
sy mpanipy ny teniko any ivoho.
Raha sendra mpangalatra dia miombona aminy,
sy mivarilena amin’ny mpijangajanga?...
Ny vavanao mailaka amin’ny ratsy;
ny lelanao fatra-pandrary fitaka.
Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy,
sy manoso-potaka ny zana-dreninao?...
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho!
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Aoka horeseko lahatra ianao
sy hamborahako azy eto imasonao!
Koa mahafantara, ry mpanadino an’Andriamanitra.
Ndrao viraviraiko tsy misy mpanafaka!
Izay misorona saotra no hasaiko:
ka hohetsahiko amin’ny vonjiko!
Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 18-22)
Tamin’izany andro izany,
nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy,
dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy.
Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe:
“Mpampianatra ô,
hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany,
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”
Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe:
“Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”;
fa hoy i Jesoa taminy:
“Manaraha Ahy,
fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco