2 ôktôbra 2024 — Ny Anjely Mpiambina — Fahatsirovana — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)

♦ Mifanome tanana amin'ny fanamboaran-dàlana ao an-drenivohitra, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Minisiteran'ny Asa vaventy. Nanome toromarika ny Filoham-pirenena, hoy ny Minisitra... ♦ Tanterahana eto Antananarivo ny atrikasa fiofanana iraisam-pirenena momba ny tsenan'ny karbôna sy ny tsara ho fantatra momba izany. Hetsika karakarain'ny fikambanambe iraisam-pirenena RRI sy SIF... ♦ Hitohy amin'ny 1 hatramin'ny 3 nôvambra 2024, ny Festival Pirates any Sainte Marie. Ny hanetsehana ny fizahan-tany sy ho fampahafantarana ny tantaran'ny Nosy Boraha no tanjona...

♦ Naneho hevitra momba ny fifidianana Ben'ny Tanàna, ny Filoham-pirenena omaly hariva. Tsy tokony ho toerana hananganana ady intsony Antananarivo, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tafapetraka ho Sekretera Jeneraly vaovaon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana Andrimatoa Adgard Razafindravahy. Handray ny fihaonana antampon'ireo Filoham-panjakan'ny COI isika amin'ny fiandohan'ny taona 2025... ♦ Ho tratra ny vinavina fampidiram-bola amin'ny fandintseranana ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana amin'ny faran'ity taona ity...

Ny fiteny "kibushi" dia tsy hoe mitovy amin'ny teny Malagasy fa tena teny Malagasy. Ny fiampitan'ny teny Malagasy izay mampiasa ny fiteny betsimisaraka tao amin'ny nosy Sainte Marie nakao amin'ny nosy Mayotte no nahatonga ny fiteny "kibushi" ; ny "ki" dia midika hoe "teny" ary ny "bushi" dia entina hilaza ny hoe "Malagasy", ireo no mitambatra no milaza hoe " Teny Malagasy". Misy fifamatorana amin'ny tantaram-pitondrana nisy tamin'ny fitondran'ny mpanjaka RATSIMILAO sy ny zanany vavy izay nandova azy ara-pitondrana ny fiteny "Kibushi"... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...