♦ Nodimandry omaly i Jean André Soja, fantatra tamin'ny anarana hoe Kaleta. Nahafantaran'ny maro azy ny tontolo pôlitika, ankoatra ny naha mpandraharaha azy... ♦ Mbola mitohy anio ny fanadinam-panjakana bakalôrea, ho an'ireo hiatrika ny taranja “Sciences économiques et sociales” ary ny adina an-tsoratra EPS. Hanohy ny taranja teknika kosa ireo mpiadina bakalôrea teknika, amin'io herinandro ho avy io... ♦ Manjaka indray ny fahatapahan-jiro mifandimby amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo. Mikorontana noho izany koa ny famatsian-drano amin'ny toerana sasany...
Raha tsy manana fandinika pôetika ny olona iray dia mandringa ny fanahiny ; rehefa tsy ampy ny rindram-bavaka kanto dia mandringa ny fanahy, izany hoe lasa vavaka tsy tonga lafatra fa vavaka hafahafa. Rehefa mivavaka dia tena ilaina ny maneho ohatra tsara amin'ireo zava-dehibe teo amin'ny fiainana nataon'Andriamanitra. Zava-dehibe ny rindram-bavaka : mba hahatsapana ny fahalebiazan'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
26 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)
♦ Mbola maro ireo laza adina niparitaka tamin'ny tambajotran-tserasera nandritra ity Bakalôrea 2024 ity. Nifarana androany izany fanadinam-panjakana izany ho an'ny fampianarana ankapobeny... ♦ Handiso ny tena fifandanjan-kery pôlitika marina, ny fifidianana Ben'ny Tanàna ho avy eo, indrindra izay hahazo ny fitantanana ny tanànan'Antananarivo, hoy ny antoko Teza... ♦ Nitotongana indray ny sandam-bola malagasy Ariary. Efa tafakatra 4.970 Ariary ny Euro iray amin'izao. Hitondra fanazavana ny mpahay teo-karena iray eo anivon'ny CREM...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco