Boky Ohabolana (Ohab. 9, 1-6)
Ny Fahendrena efa nanorina ny tranony,
efa nipaika ny andriny fito,
efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy,
ary namboatra ny latabany.
Naniraka ny ankizy vaviny izy,
dia miantso eo an-tampon’ny havoan’ny tanàna:
“Aoka hiditra aty izay kely saina!”
Ary hoy izy amin’izay tsy manan-tsaina:
“Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko.
Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo;
ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 33, 2-3. 10-11. 12-13. 14-15
Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Matahora ny Tompo ianareo olo-masiny,
fa izay matahotra ny Tompo tsy orin’inoninona:
ny manana no tonga mahantra sy noana,
izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.
Avia, rey anaka, henoy Aho:
ny tahotra ny Tompo no hampianariko anareo.
Iza ianareo no te ho velona
sady maniry fiainan-tsambatra?
Ny lela ambeno amin’ny ratsy,
ny molotra aoka tsy hamitaka;
ny ratsy, fadîna; ny tsara, atao;
ny fiadanana katsahina sy ilofosana.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 1 5-20)
Ry kristianina havana, tandremo tsara ny fitondran-tenanareo,
aza misary adala, fa mbà hendry;
hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitraky ny Tompo.
Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany;
fa mifenoa Fanahy Masina ianareo.
Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho;
ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.
Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra,
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.
Dia nifanditra ny Jody nanao hoe:
“Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?”
Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay;
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako,
dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray:
Toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra:
Tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Tsy nijanona teo amin'i Jesoa ihany akory ny Salamo fa mbola mitohy hatramin'izao androtsika izao. Azo lazaina fa tena mbola avokavoky ny vavaka na ilay atao hoe litorijian'ny fiangonana ny Salamo. Vavaka tsara indrindra sy sarobidy ny Salamo. Raha ao amin'ny Testamenta Vaovao dia ny Rainay any an-danitra no vavaka tsara indrindra izay nampianarin'i Jesoa ny mpianany, fa ny ao amin'ny Testamenta Taloha dia ny Salamo. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Alahady faha-19 mandavantaona — B : Ilàna finoana ny Eokaristia ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Tahaka ny niainan'i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela, dia ilaina ny finoana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra, tamin'izany izy dia nahazo vatsy nahafahany namakivaky tany an'efitra, 40 andro sy 40 alina ; noho ny hery azony tamin’izany hanina izany, dia niakatra ny tendrombohitr’Andriamanitra izy. Nisalasala tamin'ny tenin'i Jesoa ny Jody, raha nilaza hoe Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”. Hoy izy ireo: “Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?. Mitaky finoana ny Eokaristia...
11 aogositra 2024 — Alahady Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 41-52)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco