Alahady faha-22 mandavantaona - B : Tsy mora ny manaraka an'i Jesoa, fa misy hazofijaliana ; Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Ny fanarahan-dia an'i Jesoa dia ilana fifehezan-tena ; voalaza ao amin'ny Boky Deterônômy ny hoe : aza manampy na manala amin’izay andidiako anareo, tandremo ny didin’ny Tompo. Manana adidy amin'ny fanabeazana ny Kristiana hanaraka ny fifampifehezana, ny fitsipika eny anivon'ny fiaraha-monina ny Eglizy ; isan'ny toetra maha-kristiana ny fiainana ny lalan'i Jesoa, indrindra ny fiatrehana ireo sedra sokajiana ho hazofijaliana...

1 septambra 2024 — Alahady Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-8a. 14-15. 21-23)

♦ Mbola tsy misy fihenany ny isan'ireo vehivavy tratry ny aretina mamany-lava mandalo fandidiana eny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona. Vehivavy 1/20 no mahazo fitsaboana eto Madagasikara... ♦ Mbola nanamafy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena tany Toamasina fa maimaimpoana ny saram-pisoratana anarana ho an'ny ankizy marefo any amin'ny sekolim-panjakàna manerana ny nosy... ♦ Miampy 9 isa indray ireo mpilatsaka an-tsitrapo "Peaces Corps" nahavita fianianana hiasa amin'ny Faritra miisa 7 eto Madagasikara. Hampianatra eny amin'ny Lycée sy ny Sekoly ambaratonga faharoa no andraikitr'izy ireo...

♦ Nanome baiko hamongotra ny fakana ankeriny Malagasy ao amin'ny Distrikan'Anjozorobe ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina. Lehilahy miisa 5 no maty novonoin'ireo mpaka takalon'aina tao Marotsipoy... ♦ Mitokona nanomboka omaly ireo mpiasan'ny sampandraharahan'ny famantarana ny toetry ny andro. Tapitra tamin'ny alarobia teo ny 72 ora nitakian'izy ireo ny fametraham-pialan'ny tale jeneraliny...  ♦ Voafidy hitantana ny tranoben'ny tantsaha mpamokatr mandritra ny dimy taona ho avy indray, ny filoha ankehitriny Razafimbololona Angeline. Natao teny Nanisana omaly ny fifidianana ho an'ny birao mpitantana nasiônaly... ♦ Andro fahatelo nanafihana nytany avaratr'i Cisjordanie omaly, ny miaramila Israeliana...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...