Alarobia 22 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6 — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin'ny vavanao.
Nafahan'ireo mpaka an-keriny, tamin'ny sabotsy 18 janoary teo, ny iray tamin'ireo seminarista efa-dahy nalain'izy ireo tao amin'ny seminera zokiny ao Kaduna any avaratr'i Nigéria.
Talata 21 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28 — Raiso ny tenin'Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin'olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin'Andriamanitra.
Manentana ny kristianina rehetra ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny alahady 12 janoary 2020, mba hifarimbona amin'ny fampivoarana ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny Seminera zandriny Ambohipo, amin'ny mandritra ny fiomanana ny fankalazana faha-zato taona.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco