Notanterahina ny 07 ka hatramin'ny 15 novambra 2019 ny fivoriam-be faha-2, fanaon'ny Fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara. Ny fandalinana ny hafatry ny Papa François nandritra ny fitsidihana an'i Madagasikara no nifantohan'ny dinik'izy ireo dia ny " Fiarovana ny tranobe iombonana'.
Fahanginana, fihetsika iray sarotra tanterahina ho antsika olombelona nefa tena ilaina amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Raha isika foana mantsy no miteny dia tsy handre izay ambaran'Andriamanitra.
Famantarana hita maso maneho ny maha-iray ny finoana ny Papa Ray masina, ao amin'ny Fiangonana katolika. Ambaran'ny ny fampianaran'ny Fiangonana fa dimbin'i Piera Apostoly izy.
Taom-pahasoavana ho an'ny mpino katolika malagasy ny taona 2019 satria hitsidika an'i Madagasikara ny Papa François. Fitsidihina antenaina fa hitondra fiadanana sy fanantenana ho an'ny vahoaka Malagasy
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco