Alarobia 20 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15 — Natsangan'Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin'ny Hazofijaliana noho isika.

0 : 00

Eo am-pamaranana ny Evanjely nosoratany i Masindahy Joany no milaza fa "Maro ny zavatra hafa nataon’i Jesoa, ka raha izany no soratana tsirairay dia ataoko fa na dia izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky nosoratana". Eto koa i Jesoa milaza hoe : "Mbola manan-javatra maro holazaina aminareo aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny". Lehibe tokoa ny famonjena nentin’i Jesoa ho an’izao tontolo izao hamonjeny azy, ho an’ny olona rehetra, ho antsika tsirairay. Ny Fanahy Masina no manohy ny asam-pamonjena efa natombok’i Jesoa. Iraka hanohy io famonjena io ny Apôstôly. Tsy amin’ny alalan’ny herin’ny tenany manokana no hanatanterahany izany fa ny Fanahy Masina no hitari-dalana azy ireo. Ny marina no hijoroan’izy ireo ho vavolombelona, hanambara ny marina, hanamabara fa novonoina i Jesoa, nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana nefa nitsangan-ko velona. Koa raha ny Fanahy Masina no mitari-dalana, tsy hisy hahasakana izany.

Ankehitriny mbola ny Fanahy Masina no mitari-dalana antsika hizotra amin’ny lalan’ny fahamarinana, mitondra antsika hiaina amin’ny finoana marina. Toa ny nanambaran’i Jesoa ny marina tamin’ireo Apôtstôly mpianany no hanamabaran’ny Fanahy Masina ny marina tokony hiainantsika koa ankehitriny. Mihaino ny Fiangonana isika, matoky marina fa izay ambarany sy ampianariny no hahavonjy antsika. Ny Fiangonana no mitana sy mitahiry ny mahakasika ny finoana marina fototry ny famonjena antsika. Tsy ampy anefa ny mandray fotsiny izay ampianariny antsika fa tsy maintsy koa mizara izay omeny antsika. Ary izay no tena loharanon-kasambarana araka ny “Sambatra kokoa ny manome noho ny mandray”. Ny mizara ny finoantsika amin’ny hafa no hampamokatra bebe kokoa io finoantsika io. Izay no antony handraisana andraikitra ao amin’ny Fiangonana, ho mpiara-miasa amin’i Jesoa hanitatra ny Fanjakany amin’ny sehatra rehetra misy antsika eny amin’ny fiainana andavanandro eny. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...