Talata 19 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 5-11 — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin'ny maty, tia anay sy nanasa ny helokay tamin'ny Ranao.

0 : 00

Ny fisarahana miteraka alahelo. Zava-miseho amin’ny fiainantsika andavan’andro izany ; indrindra moa raha nifanerasera, nifampizara ny manta sy ny masaka teny. Torak’izany koa ny an’i Jesoa sy ny mpianany. Malahelo ireo mpianatr’i Jesoa satria hilaozany. Nampanantena anefa I Jesoa fa raha handao azy ireo Izy dia haniraka ny Fanahy Mpanafaka alahelo ho azy ireo. Noho izany eo anatrehan’ny olana maro tsy maintsy ho sedrain’ireto mpianatra dia eo io Fanahy io hanome hery azy ireo. Miaina eo anivon’izao tontolo izao ny mpianatra, fa tsy an’isan’izao tontolo izao. Ity izao tontolo izao ity no tsy maintsy ho resena lahatra, hovana ho araka ny sitraponan’Andriamanitra, handresy ny fahotana izay mahenika azy. Raha ny herin’ny tenany samy irery no entina manatanteraka izany tsy ahefa na inona na inona ireto mpianatra ireto satria olombelona ihany. Koa ilaina ny fahasoavana sy ny hery avy amin’Andriamanitra.

Mbola ao anatin’ny vanim-potoana ny Paka isika. I Kristy nandresy ny ratsy rehetra, nandresy ny fahotana, nandresy ny fahafatesana. Koa manohy asam-pandresena notontosain’i Jesoa ny Fanahy Masina. Io Fanahy Masina io no miasa ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Mpiara-miasa amin’ny Fanahy Masina isika. Raha misy asa ataontsika ao amin’ny Fiangonana dia isika sy ny Fanahy Masina no manatanteraka izany. Koa tsy mahefa na inona na inona isika raha tsy miaraka Aminy ; noho Izy no ahafahantsika miaina ny fahamarinana sy ny fitiavana.

Koa tahaka ny tamin’ny andron’ny Apôstoly, manampy antsika ny Fanahy Masina hananantsika fiainana, toetra ,fomba fiainana sy fitondran-tena tsara haharesy lahatra an’izao tontolo izao fa ny fiainana kristianina dia fiainana lavorary. Ny fiainana kristianina dia taratry ny fandresen’i Kristy sy ny nitsanganany ho velona. Dia io no fototry ny finoantsika. Finoana ahafahantsika mandresy izao tontolo izao homban’ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana. Amen !

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...