Maro ireo tanora no tsy mahafantatra ny talenta ao aminy, ary lasa mikombona anaty. Tojo fahasahiranana izy ireny ka toroina hevitra mba tsy hikombona amin'ny tenany. Nijery dia nitia azy ireny Jesoa, ary manana adidy hikolokolo sy hikarakara azy ireny koa isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alakamisy 29 jolay 2021 — Masimbavy Marta — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 19-27

Misy amin'ny tanora tsy lasa lavitra amin'ny fianarana, noho ny antony maro samihafa. Samy manana ny fahaiza-manaony avy anefa izy ireny araka ny sokajy misy azy avy. Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary. Tsy natao hampifanipaka ny fahasamihafana fa hifamenoana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alarobia 28 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 44-46

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...