Sabotsy 31 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 1-12
Ny Vaovao mahafalin'i Jesoa ihany no torian'ny fisehoan'i Masina Maria tao La Salette. Raha mibebaka amin'ny fontsika manontolo isika, dia hamindra fo amintsika maimaim-poana Andriamanitra, mamaly vavaka antsika izy ary mandray ny ain'Andriamanitra isika.
Ny tanora no manana ny hery rehetra ahafahana manao zavatra araka ny fahalalana ananany. Tsy misaraka ny fahaiza-miaina sy ny fahaiza-manao ka izay no hisarihana ny sain'ny tanora, na manana fahafahana aza dia tsy tokony hirehareha. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Zoma 30 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 54-58
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco