Ilaina ny fananana fahasahiana eo amin'ny fiainana. Misy fomba fiteny hoe "izay sahy maty no mifono lambamena". Mila mijoro izany isika, mila vonona ny hanao zavatra. Mila ialàna ny toe-tsaina mora kivy na koa tsy mihevitra afa-tsy ny mety ho voka-dratsiny fa mila fahatokisantena sy fanantenana. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.

Alahady 25 jolay 2021 — Alahady fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15

Hitantsika tamin'ny alalan'ireo endrika telo (Jesoa, Piera, Paoly) fa ny fahasahiana dia miteraka risi-po ho amin'ny tanjona iray. Tsy mandeha ho azy anefa ny fahasahiana fa vokatry ny fitiavana, ny finoana, ny fahatokisana, eny fa vokatry ny fanantenana. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.

Sabotsy 24 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-30

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...